factograf
MG

Nosy Koky

Nosy Koky

Key facts

velarantany240km²
fiandohana4 Aogositra 1965
karazanafirenena nosy, firenena
FirenenaNosy Koky
filohaCharles III.
kaontinentaOseania
Sainan' ny Nosy Koky
Sainan' ny Nosy Koky
Ny toerana misy ny Nosy Koky eo amin' ny Bolantany
Ny toerana misy ny Nosy Koky eo amin' ny Bolantany
Sarintany maneho ny fari-dranomasina iparitahan' ny Nosy Koky
Sarintany maneho ny fari-dranomasina iparitahan' ny Nosy Koky
Filaharana mandritra ny fankalazana isan-taona ny Maeva Nui.
Filaharana mandritra ny fankalazana isan-taona ny Maeva Nui.
4 images

21°14′S 159°46′E / 21.233°S 159.767°E

Ny Nosy Koky dia firenena vondronosy any amin' ny faritra atsimo-andrefana amin' ny tapany atsimo amin' ny Ranomasimbe Pasifika, izay eken' ny Firenena Mikambana nefa tsy mpikambana ao aminy, fanjakana miara-miasa malalaka amin' i Zelanda Vaovao, sahala amin' ny taon' i Nioe koa. I Avarua no renivohiny. Atao amin' ny teny maôry any amin' ireo nosy ireo hoe Kūki 'Āirani ilay firenena, ary amin' ny teny anglisy hoe Cook Islands.

Ahitana nosy 15 izy io, izay mirefy 236,7 km2 ny velarany manontolo. Manana Faritra ara-Toekarena Manokana (anglisy: Exclusive Economic Zone) mandrakotra ranomasina 1 960 027 km2 ny Nosy Koky.

Fanjaka-mpanjaka manaja antenimiera ny Nosy Koky, mahafaoka ilay vondronosy mitonda io anarna io (Cook Islands), izay mizara ho vondrona roa: dia ny Vondronosy Koky Atsimo, amin' ny teny anglisy, Southern Cook Islands (Aitutaki, Atiu, Mangaia, Manuae, Mauke, Mitiaro, Palmerston, Rarotonga ary Takutea), niforona avy amin' ny afotroa ny ankamaroany ary i Rarotonga no lehibe indrindra sady ahitana ny renivohitra sy tanàna lehibe indrindra Avarua, sy ny Vondronosy Koky Avaratra, Northern Cook Islands (Manihiki, Nassau, Penrhyn, Pukapuka, Rakahanga ary Suwarrow).

), izay miforona avy amin' ny vatohara. Nomena azy io anarana io ho fanomezam-boninahitra an' i James Cook, mpitaingin-tsambo britanika malaza, izay nitsidika ireo nosy ireo tamin' ny taona 1777, ilay vondronosy.

Ao amin' ny nosy Rarotonga no tena ivangongoan' ny mponina ao amin' ny Nosy Koky (10 863 izany tamin' ny taona 2021). Any amin' ity nosy ity no misy ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenen' i Rarotonga, vavahady iraisam-pirenena lehibe mankany amin’ny firenena. Araka ny fanisam-bahoaka tamin' ny taona 2021 dia miisa 14 987 ny mponina ao amin' ilay firenena. Betsaka koa ny vahoakan' ny Nosy Koky mipetraka any Zelandy Vaovao sy any Aostralia: tamin' ny fanisam-bahoaka natao tamin' ny 2018 tany Zelandy Vaovao dia olona miisa 80 532 no nilaza fa avy any amin' ny Nosy Koky, na taranaky ny olona aavy amin' ny Nosy Koky. Ny fanisam-bahoaka aostraliana farany (2021) dia naharakitra vahoaka kokiana miisa 28 000 monina any Aostralia, ary ny ankamaroany dia mizaka ny zom-pirenena aostraliana.

Ny fizahan-tany no indostria lehibe indrindra ao amin' ilay firenena ary zava-dehibe amin' ny toekareny, mialoha ny fametraha-bola amin' ny banky any ivelany sy ny famokarana perla ary ny fanondranana ny hazan-dranomasina sy ny voankazo.

Jereo koa

Read next

In 158 languages

mgAcèhAfrikaansAlemannischአማርኛaragonésÆngliscअंगिकाالعربيةمصرىasturianuKotavaazərbaycancaتۆرکجهбашҡортсаBasa BaliBikol Centralбеларуская (тарашкевіца)беларускаябългарскиবাংলাབོད་ཡིགবিষ্ণুপ্রিয়া মণিপুরীbrezhonegbosanskicatalà閩東語 / Mìng-dĕ̤ng-ngṳ̄CebuanoTsetsêhestâhesecorsuqırımtatarcačeštinaCymraegdanskDeutschdolnoserbskiދިވެހިބަސްΕλληνικάEnglishEsperantoespañoleestieuskaraestremeñuفارسیsuomivõrofrançaisarpetanNordfriiskFryskGaeilgeGagauzkriyòl gwiyannengalegoHausa客家語 / Hak-kâ-ngîעבריתहिन्दीFiji HindihrvatskihornjoserbsceKreyòl ayisyenmagyarհայերենԱրեւմտահայերէնBahasa IndonesiaIdoíslenskaitaliano日本語JawaქართულიQaraqalpaqshaқазақша한국어kurdîkernowekкыргызчаLatinaLëtzebuergeschLingua Franca NovaLimburgsLigureລາວlietuviųlatviešuMāoriMinangkabauмакедонскиമലയാളംмонголमराठीкырык марыBahasa MelayuMaltiမြန်မာဘာသာمازِرونیनेपालीनेपाल भाषाNederlandsnorsk nynorsknorskoccitanଓଡ଼ିଆиронਪੰਜਾਬੀKapampanganpolskiportuguêsromânăрусскийIkinyarwandaсаха тылаsicilianuScotsسنڌيsrpskohrvatski / српскохрватскиTaclḥitတႆးසිංහලSimple EnglishslovenčinaslovenščinaGagana SamoachiShonashqipсрпски / srpskiSundasvenskaKiswahiliślůnskiதமிழ்తెలుగుтоҷикӣไทยTagaloglea faka-TongaTürkçeтатарча / tatarçaудмуртئۇيغۇرچە / Uyghurcheукраїнськаاردوoʻzbekcha / ўзбекчаvènetoTiếng ViệtWinarayWolof吴语მარგალურიYorùbáVahcuenghⵜⴰⵎⴰⵣⵉⵖⵜ ⵜⴰⵏⴰⵡⴰⵢⵜ文言閩南語 / Bân-lâm-gí粵語中文

Text from Wikipedia, CC BY-SA 4.0 · Source article