factograf
MG

Ranomasimbe Pasifika

Ranomasimbe Pasifika

Ny Ranomasimbe Pasifika, na Ôseana Pasifika, izay manana velarana 166 241 700 km², dia ranomasimbe be velarana indrindra eto an-tany. Mamaritra an' i Ôseania sy nosy sy tamba-nosy sasantsasany an' i Azia (Japàna, Filipina, Insolindia) izy. Voarafaritr' i Azia, i Aostralia, i Amerika sy ny Ranomasimbe Atsimo izy. Eo amin' ny laharam-pehintany faha-60 ny fisarahany amin' ny Ranomasimbe Atsimo. Sarahan' ny laharan-jarahasina faha-180 ny atsinanana sy ny andrefana amin' ny Ranomasimbe Pasifika.

Jeôgrafia

Ny Ranomasimbe Pasifika sy ny Fehin' Afo (mena)
Ny Ranomasimbe Pasifika sy ny Fehin' Afo (mena)

Ao amin' ny Ranomasimbe Pasifika no ahitana ny tevana lalina indrindra eto an-tany, ny halalin' izy ireo dia mety mahatratra 10 km mahery, ohatra ny tevan' i Korily, i Marianina, ary i Filipina. Betsaka ihany koa ny harandriaka ohatra ny Nosy Krismasy, izay atoll mivelatra indrindra ary antitra indrindra eto an-tany.

I Pasifika dia be toerana ivoahan' ny vatomiempo mafana avy any anivon-tany (hotspot). Ny hotspot dia mampisy ny tamba-nosy toy ny nisy Hawaii-Empereur ary ny tendrombohitra ambany ranomasina Louisville.

Ny sisin' ny Ranomasimbe Pasifika dia ny Fehin' Afo (ceinture de feu) afatsy ny atsimo mankany amin' i Antarktika. Avy amin' io Fehin' Afo io ny horohorontany mampisy ny tsonamy. Tamin' ny tapna 1900 ka hatramin' ny 2004, tsonamy 796 no hita, ary 17 % tamin' izy ireo no nisy tany Japàna. Ny ivontoerana iraisam-pirenena fanairana, ny Pacific Tsunami Warning Center, dia asaina mitazana sy manaitra ny mponina na ny governemanta raha mety hitera-doza ny tsonamy.

Jereo koa

Read next

In 249 languages

mgаԥсшәаAcèhадыгабзэAfrikaansAlemannischአማርኛaragonésÆngliscالعربيةܐܪܡܝܐالدارجةمصرىঅসমীয়াasturianuаварKotavaअवधीAymar aruazərbaycancaتۆرکجهбашҡортсаBasa BaliBoarischžemaitėškaBikol Centralбеларуская (тарашкевіца)беларускаяBetawiбългарскиभोजपुरीBislamaပအိုဝ်ႏဘာႏသာႏবাংলাབོད་ཡིགbrezhonegbosanskiбуряадcatalàChavacano de Zamboanga閩東語 / Mìng-dĕ̤ng-ngṳ̄нохчийнCebuanoᏣᎳᎩکوردیqırımtatarcačeštinaчӑвашлаCymraegdanskDeutschZazakidolnoserbskiKadazandusunडोटेलीΕλληνικάemiliàn e rumagnòlEnglishEsperantoespañoleestieuskaraestremeñuفارسیsuomivõroNa Vosa VakavitiføroysktfrançaisNordfriiskfurlanFryskGaeilge贛語kriyòl gwiyannenGàidhliggalegoگیلکیAvañe'ẽBahasa HulontaloGhanaian PidginગુજરાતીGaelgHausa客家語 / Hak-kâ-ngîHawaiʻiעבריתहिन्दीFiji HindihrvatskihornjoserbsceKreyòl ayisyenmagyarհայերենԱրեւմտահայերէնinterlinguaJaku IbanBahasa IndonesiaInterlingueIgboIlokanoгӀалгӀайIdoíslenskamedžuslovjanskyitaliano日本語Patoisla .lojban.JawaქართულიQaraqalpaqshaTaqbaylitадыгэбзэKabɩyɛTyapKumoringқазақшаភាសាខ្មែរಕನ್ನಡYerwa Kanuri한국어перем комикъарачай-малкъарکٲشُرRipoarischkurdîkernowekкыргызчаLatinaLadinoLëtzebuergeschлезгиLingua Franca NovaLimburgsLigureLadinlombardlingálaລາວlietuviųlatviešuमगहीमैथिलीBasa Banyumasanмокшеньолык марийMāoriMinangkabauмакедонскиമലയാളംмонголमराठीкырык марыBahasa MelayuMaltiMirandésမြန်မာဘာသာمازِرونیNapulitanoNedersaksiesPlattdüütschनेपालीनेपाल भाषाNederlandsnorsk nynorsknorskSesotho sa LeboaoccitanlivvinkarjalaOromooଓଡ଼ିଆиронਪੰਜਾਬੀPangasinanKapampanganPapiamentuPicardpolskiPiemontèisپنجابیپښتوportuguêsRuna Simirumantschromânătarandíneрусскийрусиньскыйसंस्कृतम्саха тылаᱥᱟᱱᱛᱟᱲᱤsardusicilianuScotsسنڌيdavvisámegiellasrpskohrvatski / српскохрватскиTaclḥitසිංහලSimple EnglishslovenčinaslovenščinaGagana SamoaanarâškielâchiShonaSoomaaligashqipсрпски / srpskiSeelterskSundasvenskaKiswahiliślůnskiSakizayaதமிழ்తెలుగుтоҷикӣไทยTürkmençeTagaloglea faka-Tongatoki ponaTok PisinTürkçeтатарча / tatarçareo tahitiтыва дылудмуртукраїнськаاردوoʻzbekcha / ўзбекчаvènetovepsän kel’Tiếng ViệtWest-VlamswalonWinarayWolof吴语მარგალურიייִדישYorùbáVahcuenghZeêuws文言閩南語 / Bân-lâm-gí粵語中文

Text from Wikipedia, CC BY-SA 4.0 · Source article