factograf
MG

Broney

Broney

Key facts

velarantany5,765km²
fiandohana1 Janoary 1984
karazanafirenena
FirenenaBoroney
renivohitraBandar Seri Begawan
kaontinentaAzia
Sainan' i Broney
Sainan' i Broney
Sarin-tany maneho an' i Broney
Sarin-tany maneho an' i Broney
Sarin-tanin' i Broney
Sarin-tanin' i Broney
3 images

I Broney na Soltanatan' i Broney Darosalama dia firenena ao amin' ny tapany avaratry ny nosy Bôrneô, ao Azia Atsimo-Atsinanana. Itambarany amin' i Malaizia sy i Indônezia io nosy io. Amin' ny fiteny maley: izy dia atao hoe Kesultanan Brunei. Ny renivohiny dia i Bandar Seri Begawan, izay tanàna lehibe indrindra ao. Ny fiteny maley no fiteny ôfisiany any. Atao hoe Broneiana ny vahoakan' io firene io.

Hodidinin' ny tapany atsimon' ny Ranomasin' i Sina izy sady voafefin' ny fanjakan' i Sarawak any Malezia. Mirefy 5 765 km2 ny velarany ary miisa 464 478 ny mponiny araka ny fanisana natao tamin' ny 2020. Ny faritr'ora dia +8. Ao amin’ ny tany lemaka amorontsoraka be honahona no misy an’ i Broney; any anaty tany dia ahitana vohon-tany be tendrombohitra, ahitana ny tandavan-tendrombohitra Crocker, ka i Pagon Priok, izay manana haambo mirefy 1 850 m, no tampona avo indrindra ao amin’ io firenena io. Saika ny antsasaky ny veleran-tanin’ ilay firenena no rakotra ala mikitroka, izay ahitana biby isan-karazany toy ny androngo, ny bibilava, ny liona, ny rajako, ny tigra, ary vorona isan-karazany.

Maley ny ankamaroan’ ny mponina any Broney. Ahitana Sinoa sy Daiàka (vahoaka tompon-tany) koa any. Mozilmana ny ankamaroan’ ny mponina any.

Ny famokarana solitany sy etona voajanahary no mampatanjaka ny toekaren’ io firenena io. Ny fidiram-bolan’ ilay firenena dia mihoatra lavitra ny fandaniam-bolany ka noho izany dia maimaim-poana ny fianarana sy ny fitsaboana ary fisotroan-dronono any.

Prôtektôrata britanika taloha i Broney izay nahazo ny fahaleovan-tenany tamin’ ny taona 1984. Anisan' ny mpikambana dimy manana ny fiandrianany manokana ao amin' ny Commowealth izy. Ankehitriny i Broney dia soltanata mampihatra fahefam-panjaka tsy refesi-mandidy: atao hoe "soltana" ny mpitondra ilay firenena. Ny soltana Hassanal Bolkiah no nitondra azy nanomboka tamin' ny taona 1968.

Jereo koa

Read next

In 262 languages

mgаԥсшәаAcèhадыгабзэAfrikaansAlemannischአማርኛPangcaharagonésÆngliscअंगिकाالعربيةالدارجةمصرىঅসমীয়াasturianuअवधीAymar aruazərbaycancaتۆرکجهбашҡортсаBasa BaliBoarischžemaitėškaBatak TobaBikol Centralбеларуская (тарашкевіца)беларускаяBetawiбългарскиभोजपुरीBislamaBanjarবাংলাབོད་ཡིགবিষ্ণুপ্রিয়া মণিপুরীbrezhonegbosanskiBasa UgiбуряадcatalàChavacano de Zamboanga閩東語 / Mìng-dĕ̤ng-ngṳ̄нохчийнCebuanoᏣᎳᎩکوردیcorsuqırımtatarcačeštinakaszëbscziчӑвашлаCymraegdanskdagbanliDeutschZazakidolnoserbskiKadazandusunडोटेलीދިވެހިބަސްཇོང་ཁΕλληνικάEnglishEsperantoespañoleestieuskaraفارسیsuomivõroføroysktfrançaisarpetanNordfriiskFryskGaeilgeGagauzkriyòl gwiyannenGàidhliggalegoگیلکیAvañe'ẽगोंयची कोंकणी / Gõychi KonknniBahasa HulontaloGhanaian PidginગુજરાતીGaelgHausa客家語 / Hak-kâ-ngîHawaiʻiעבריתहिन्दीFiji HindihrvatskihornjoserbsceKreyòl ayisyenmagyarհայերենԱրեւմտահայերէնinterlinguaJaku IbanBahasa IndonesiaInterlingueIñupiatunIlokanoIdoíslenskaitaliano日本語PatoisJawaქართულიQaraqalpaqshaTaqbaylitKongoKumoringGĩkũyũқазақшаភាសាខ្មែរಕನ್ನಡYerwa Kanuri한국어къарачай-малкъарکٲشُرRipoarischkurdîкомиkernowekкыргызчаLatinaLadinoLëtzebuergeschLingua Franca NovaLimburgsLigureLadinlombardlingálaລາວlietuviųlatviešuMadhurâमगहीमैथिलीBasa BanyumasanмокшеньMāoriMinangkabauмакедонскиമലയാളംмонголꯃꯤꯇꯩ ꯂꯣꯟमराठीBahasa MelayuMaltiMirandésမြန်မာဘာသာэрзяньمازِرونیNapulitanoNedersaksiesPlattdüütschनेपालीनेपाल भाषाLi NihaNederlandsnorsk nynorsknorskNovialNupeDiné bizaadChi-ChewaoccitanlivvinkarjalaOromooଓଡ଼ିଆиронਪੰਜਾਬੀKapampanganPapiamentuPicardpolskiPiemontèisپنجابیΠοντιακάپښتوportuguêsRuna Simiရခိုင်rumantschromânăрусскийрусиньскыйIkinyarwandaसंस्कृतम्саха тылаᱥᱟᱱᱛᱟᱲᱤsardusicilianuScotsسنڌيdavvisámegiellaSängösrpskohrvatski / српскохрватскиTaclḥitတႆးසිංහලSimple EnglishslovenčinaslovenščinaGagana SamoaanarâškielâchiShonaSoomaaligashqipсрпски / srpskiSiSwatiSeelterskSundasvenskaKiswahiliślůnskiSakizayaதமிழ்TayalతెలుగుtetunтоҷикӣไทยTürkmençeTagalogtolışilea faka-Tongatoki ponaTok PisinTürkçeSeediqXitsongaтатарча / tatarçachiTumbukaудмуртئۇيغۇرچە / Uyghurcheукраїнськаاردوoʻzbekcha / ўзбекчаvènetovepsän kel’Tiếng ViệtVolapükWinaray吴语მარგალურიייִדישYorùbáVahcuenghZeêuwsⵜⴰⵎⴰⵣⵉⵖⵜ ⵜⴰⵏⴰⵡⴰⵢⵜ文言閩南語 / Bân-lâm-gí粵語中文

Text from Wikipedia, CC BY-SA 4.0 · Source article