factograf
MG

Rajako

Rajako
Macaca radiata
Macaca radiata

Ny rajako dia biby mampinono, ao amin' ny filaharan' ny Primates, amin' ny ankapobeny miaina ambony hazo, manana tarehy matetika tsy misy volo ary miavaka amin' ny fananany atidoha somary lehibe sy ny rantsambatana lava miafara amin' ny rantsan-tanana sy rantsan-tongotra. Na dia manaitra ny olona foana aza ny fitovian' izy ireo amin' ny olombelona, dia nila taonjato maro ny siansa mba hanaporofoana ny fifandraisana akaiky misy eo amin' izy ireo sy ny olombelona.

Ao anatin' ny Primates, ny rajako dia mamorona zafim-pilaharana antsoina hoe Simiiformes, raha ampidirina ao ny vondron-karazana Homo, ary mizara ho Platyrrhini (rajakon' ny Tontolo Vaovao: Amerika Afovoany sy Amerika Atsimo) sy ny Catarrhini (rajakon' ny Tontolo Taloha: Afrika Trôpikaly sy Azia). Ireo farany ireo dia ahitana ny Hominoidea, antsoina koa hoe "rajako lehibe", anisan' izany ny Homo sapiens (olombelona) sy ny razambeny akaiky indrindra.

Na dia tsy misy isalasalana intsony aza amin' izao fotoana izao fa "rajako tahaka ny hafa rehetra ny olombelona", izany fitenenana izany dia matetika ampiasaina hilazana any anaty ala, ary miteraka fanondroana ara-kolontsaina sy ara-diteratiora ary ara-javakanto izay tsy mampiditra ny olombelona.

Read next

In 156 languages

mgадыгабзэአማርኛPangcahअंगिकाالعربيةܐܪܡܝܐمصرىasturianuаварAymar aruazərbaycancaBasa BaliBikol CentralBajau SamaбеларускаябългарскиभोजपुरीBanjarবাংলাབོད་ཡིགbòo pìkkàbrezhonegbosanskiBatak Mandailingcatalà閩東語 / Mìng-dĕ̤ng-ngṳ̄нохчийнᏣᎳᎩTsetsêhestâheseکوردیčeštinaчӑвашлаCymraegdanskdagbanliDeutschडोटेलीΕλληνικάEnglishEsperantoespañoleestieuskaraفارسیfɔ̀ngbèfrançaisGaeilgeGàidhliggalegoAvañe'ẽगोंयची कोंकणी / Gõychi KonknniગુજરાતીGaelgHausa客家語 / Hak-kâ-ngîעבריתहिन्दीhrvatskiKreyòl ayisyenհայերենJaku IbanBahasa IndonesiaIdoíslenska日本語JawaTaqbaylitKabɩyɛTyapKumoringGĩkũyũқазақшаಕನ್ನಡ한국어کٲشُرkernowekкыргызчаLatinaLadinoлаккулезгиLingua Franca Novalombardlietuviųlatviešuолык марийMinangkabauмакедонскиമലയാളംмонголꯃꯤꯇꯩ ꯂꯣꯟဘာသာမန်मराठीкырык марыBahasa Melayuမြန်မာဘာသာمازِرونیनेपालीनेपाल भाषाNederlandsnorskNouormandoccitanиронਪੰਜਾਬੀPicardpolskiپنجابیportuguêsRuna SimiromânăрусскийIkinyarwandasicilianuScotsسنڌيdavvisámegiellasrpskohrvatski / српскохрватскиတႆးSimple EnglishسرائیکیslovenščinachiShonashqipсрпски / srpskiSranantongoSundasvenskaதமிழ்Tayalತುಳುᥖᥭᥰ ᥖᥬᥲ ᥑᥨᥒᥰతెలుగుтоҷикӣไทยTagalogTürkçechiTumbukaудмуртئۇيغۇرچە / Uyghurcheукраїнськаاردوoʻzbekcha / ўзбекчаTiếng ViệtwalonWinarayWolof吴语ייִדישYorùbáVahcuengh文言閩南語 / Bân-lâm-gí粵語中文

Text from Wikipedia, CC BY-SA 4.0 · Source article