factograf
MG

Ranomasina Mena

Ranomasina Mena

Key facts

velarantany445,816km²
karazanaRanomasina
FirenenaEjipta
Saritany ara-tôpôgrafian' ny Ranomasina Mena
Saritany ara-tôpôgrafian' ny Ranomasina Mena

Ny Ranomasina Mena (amin' ny fiteny arabo Bahr el-Ahmar na البحر الأحمر) dia ranomasina an-kôntinenta eo amin' ny lemaka be velarana Indô-pasifika eo anelan' i Afrika Avaratra sy ny Atsinanana Akaiky. Ny velarany dia misy 450 000 km². Io ranomasina io dia ranomasina manan-danja sy ahafahan' ny sambo avy any Azia Atsinanana sy avy any Ôseania makao Eorôpa tsy mila mandalo any amin' i Cap de Bonne-Esperance, any atsimon' i Afrika Atsimo. Ny Lakandranon' i Suez, lakandrano eo anelanelan' ny Ranomasina Mena sy ny Ranomasina Mediteranea dia afahan' ny sambo makao Eorôpa.

Jeôgrafia

Ny Ranomasina Mena dia eo anelanelan' i Afrika sy ny Saikanosy Arabika. Any atsimo, ny Ranomasina Mena dia mifandray amin' ny Ranomasimbe Indiana amin'ny alalann' i Bab-el-Mandeb sy ny Hoalan' i Aden. Any avaratra zarain' ny Tanjon' i Sinay ho helodrano roa izy, ny any andrefana dia ilay malaza ny Hoalan' i Suez ary ny any atsinanana dia Hoalan' i Aqaba.

Ny halavan' i Ranomasina Mena dia 1 977 km, ary 300 km monja ny sakany. 2 500 km ny halalin' ny toerana lalina indrindra, eo amin' ny hady anivo. Ny elanelan-kalaliny dia 500 m eo ho eo.

Betsaka ny nosy sy tamba-nosy eo aminy. Ireto ny anarany avy any avaratra mianatsimo: Ny Nosin' ny Faraôna, ny Nosy Tiran, i Giftu, i Zabargad, ny Tamba-nosin' i Dahlak, ny Nosy Farasan ary ny Nosy Hanisy.

Ny firenena manamorona ny Ranomasina Mena dia i Jiboty, i Eritrea, i Sodàna, i Ejipta, i Israely, i Jordania, i Arabia Saodita ary i Iemena.

Indreto ny tanàna sasany eo amorontsiraky ny Ranomasina Mena: Assab, Port Soudan, Port Safaga, Hurghada, Suez, Sharm el-Cheikh, Eilad, Akaba, Dahab, Jiddah, Al Hudaydah.

Fizika

Ny Ranomasina Mena dia anisan' ny ranomasina masira indrindra eto an-tany manana hasira 45 USP kanefa ny hasiran' ny ranomasina sasany dia any amin' ny 35 USP any ho any. Ny ranon' ny Ranomasina Mena izany dia mavesatra kokoa. Ny aingan' i Arsimeda milaza fa ny vatana dia mitsangeva kokoa ao amin' ny Ranomasina Mena.

Toetany

Ny hafanana eo ambohon-dranon'ny Ranomasina Mena dia tsy miovaova, 21-25 °C. Io no mahatonga azy ho isan'ny ranomasina mafana indrindra eto an-tany. Ny fahitana dia tsara (mangarahara) hatrany amin'ny halalina 200 m, fa mety mandrivotra mafy tampoka ary ny korian-dranomasina dia mety mampilentika ny sambokely.

Read next

In 182 languages

mgAcèhадыгабзэAfrikaansAlemannischአማርኛaragonésÆngliscOboloالعربيةܐܪܡܝܐالدارجةمصرىঅসমীয়াasturianuаварazərbaycancaتۆرکجهбашҡортсаBasa BaliBikol Centralбеларуская (тарашкевіца)беларускаябългарскиभोजपुरीBanjarবাংলাbrezhonegbosanskiбуряадcatalà閩東語 / Mìng-dĕ̤ng-ngṳ̄нохчийнCebuanoکوردیčeštinaчӑвашлаCymraegdanskDeutschZazakidolnoserbskiދިވެހިބަސްΕλληνικάEnglishEsperantoespañoleestieuskaraestremeñuفارسیsuomiføroysktfrançaisNordfriiskFryskGaeilgegalegoAvañe'ẽGaelgHausa客家語 / Hak-kâ-ngîעבריתहिन्दीFiji HindihrvatskihornjoserbscemagyarհայերենԱրեւմտահայերէնJaku IbanBahasa IndonesiaIgboIlokanoгӀалгӀайIdoíslenskaitaliano日本語JawaქართულიQaraqalpaqshaTaqbaylitKabɩyɛTyapKumoringқазақшаភាសាខ្មែរಕನ್ನಡ한국어къарачай-малкъарکٲشُرkurdîкомикыргызчаLatinaLëtzebuergeschлезгиLingua Franca NovaLimburgslombardລາວlietuviųlatviešuमैथिलीMinangkabauмакедонскиമലയാളംмонголमराठीкырык марыBahasa MelayuMaltiမြန်မာဘာသာمازِرونیNapulitanoPlattdüütschनेपालीNederlandsnorsk nynorsknorskNouormandDiné bizaadoccitanlivvinkarjalaOromooиронਪੰਜਾਬੀPapiamentupolskiPiemontèisپنجابیپښتوportuguêsရခိုင်rumantschromânăрусскийsardusicilianuسنڌيsrpskohrvatski / српскохрватскиසිංහලSimple EnglishslovenčinaslovenščinaanarâškielâchiShonaSoomaaligashqipсрпски / srpskiSesothoSundasvenskaKiswahiliதமிழ்తెలుగుтоҷикӣไทยTagalogtoki ponaTürkçeтатарча / tatarçaудмуртئۇيغۇرچە / Uyghurcheукраїнськаاردوoʻzbekcha / ўзбекчаvènetoTiếng ViệtWest-VlamsVolapükWinaray吴语მარგალურიייִדישYorùbáⵜⴰⵎⴰⵣⵉⵖⵜ ⵜⴰⵏⴰⵡⴰⵢⵜ文言閩南語 / Bân-lâm-gí粵語中文

Text from Wikipedia, CC BY-SA 4.0 · Source article