factograf
MG

Ovimbazaha

Ovimbazaha
Voan' ovimbazaha
Voan' ovimbazaha
Ravin' ovimbazaha
Ravin' ovimbazaha
Vonin' ovimbazaha
Vonin' ovimbazaha
3 images

Ny ovimbazaha, izay atao hoe kambo, ovivory na ovy koa, dia zavamaniry misy vodiny azo hanina sady be tavolo, mitovitovy endrika amin’ ny vomanga, ao amin' ny fianakaviana Solanaceae. Solanum tuberosum ny anarany ara-tsiansa.

Ny vodin’ ny ovimbazaha dia anisan’ ny foto-tsakafon’ ny ankamaroan’ ny mponina amin’ ny faritra manana toetany antonony. Zavamaniry afaka velona mandritra ny taona ny ovimbazaha. Ny tahony, izay mety mahatratra iray metatra, dia afaka mitsangana na mandady. Maranitra ny raviny ary miloko fotsy na volomparasy na anelanelan’ izany ny voniny. Afaka mamoa misy vihiny maro ny ovimbazaha. Ny tahony sy ny raviny ary ny vodiny dia misy karazana alkalôida mahafaty atao hoe sôlaninina.

Avy any amin' ny tangoron-tendrombohitra Andes amin’ ny faritr’ i Pero ny ovimbazaha, any amin' ny tapany atsimo-andrefan' i Amerika Atsimo, ka efa fantatry ny olona tao hatramin' ny 8 000 taona lasa ny fampiasana azy.

Tamin' ny taonjato faha-16 izy vao nampidirin' ny Espaniôla tao Eorôpa. Niely haingana tany amin’ ny tany manana toetany antonony ny ovimbazaha, ary tamin’ ny fanombohan’ ny taonjato faha-18 vao tafiditra tao Amerika Avaratra ny fambolena azy. Tamin' ny taona 2015 dia firenene 150 mahery no mamboly azy eran' izao tontolo izao.

Jereo koa

Read next

In 190 languages

mgаԥсшәаAfrikaansAlemannischአማርኛaragonésÆngliscالعربيةالدارجةمصرىঅসমীয়াasturianuAtikamekwअवधीazərbaycancaتۆرکجهбашҡортсаBasa BaližemaitėškaBikol Centralбеларуская (тарашкевіца)беларускаяBetawiбългарскиবাংলাbrezhonegbosanskiбуряадcatalà閩東語 / Mìng-dĕ̤ng-ngṳ̄нохчийнCebuanoTsetsêhestâheseکوردیcorsuqırımtatarcačeštinaчӑвашлаCymraegdanskDeutschdolnoserbskiΕλληνικάemiliàn e rumagnòlEnglishEsperantoespañoleestieuskaraفارسیFulfuldesuomifrançaisNordfriiskfurlanFryskGaeilge贛語kriyòl gwiyannenGàidhliggalegoAvañe'ẽगोंयची कोंकणी / Gõychi KonknniBahasa HulontaloગુજરાતીGaelgHausaעבריתहिन्दीFiji HindihrvatskihornjoserbsceKreyòl ayisyenmagyarհայերենinterlinguaBahasa IndonesiaIlokanoгӀалгӀайIdoíslenskaitaliano日本語PatoisJawaქართულიKabɩyɛTyapKongoKumoringқазақшаಕನ್ನಡ한국어перем комиکٲشُرkurdîкомиkernowekкыргызчаLatinaLëtzebuergeschLingua Franca NovaLimburgsLigurelombardlietuviųlatviešuMadhurâBasa BanyumasanMinangkabauмакедонскиമലയാളംмонголဘာသာမန်Bahasa Melayuမြန်မာဘာသာэрзяньمازِرونیNāhuatlNapulitanoNedersaksiesPlattdüütschनेपालीनेपाल भाषाNederlandsnorsk nynorsknorskoccitanlivvinkarjalaиронਪੰਜਾਬੀKapampanganPicardDeitschPälzischpolskiPiemontèisپنجابیپښتوportuguêsRuna Simiromânăрускирусскийрусиньскыйसंस्कृतम्саха тылаᱥᱟᱱᱛᱟᱲᱤsarduScotsسنڌيdavvisámegiellasrpskohrvatski / српскохрватскиSimple Englishslovenčinaسرائیکیslovenščinashqipсрпски / srpskiSundasvenskaKiswahiliślůnskiதமிழ்ತುಳುతెలుగుтоҷикӣไทยTürkmençeTagaloglea faka-TongaTürkçeтатарча / tatarçaтыва дылئۇيغۇرچە / Uyghurcheукраїнськаاردوoʻzbekcha / ўзбекчаvepsän kel’Tiếng ViệtWest-VlamsWinaray吴语მარგალურიייִדישYorùbá閩南語 / Bân-lâm-gí粵語中文isiZulu

Text from Wikipedia, CC BY-SA 4.0 · Source article