factograf
MG

Malvales

Malvales

Ny Malvales dia filaharan-javamaniry roa ravin-tsimoka. Araka ny fanasokajiana APG II, io filaharana io dia ahitana karazana 6 000 eo ho eo mitsinjara ao anatin' ny fianakaviana sivy. Hazobotry sy hazo ny ankamaroan' ny zavamaniry ao aminy. Manana solontena any amin' ny faritra trôpikaly sy sobtrôpikaly rehetra ny ankabeazan' ny fianakaviana ao aminy, ary voafetra ny fiparitahana any amin' ny faritra antonony. Misy tsinjara toerana mahaliana ny eto Madagasikara, izay ahitana fianakaviana telo ao amin' ny Malvales (Sphaerosepalaceae sy Sarcolaenaceae ary Diegodendraceae) sy tsy fahita araha tsy eto amin' ny Nosy. Isan-karazany ny môrfôlôjian' ny Malvales, ary vitsy ny toetra iraisany. Anisan' ny fahita matetika ny ravina sahala amin' ny rantsan-tanana sy ny ravimbony mitambatra ary ny taharo simikan' ny vihim-boa.

Fanasokajiana

Ao amin' ny fanasokajian' i Cronquist (1981), dia misy fianakaviana 5 izy io:

Ny fanasokajiana APG (1998) dia nanova ny isan' ny fianakaviana:

  • Bixaceae
    • [+ Diegodendraceae]
  • Cistaceae
  • Cochlospermaceae
  • Dipterocarpaceae
  • Malvaceae (tafiditra ao anatiny ny Bombacaceae sy ny Sterculiaceae ary ny Tiliaceae)
  • Muntingiaceae
  • Neuradaceae
  • Sarcolaenaceae
  • Sphaerosepalaceae
  • Thymelaeaceae

Ny fanasokajiana APG II (2003) dia nanova kely ny firafitr' ity filaharana ity:

  • Bixaceae
    • [+ Diegodendraceae]
    • [+ Cochlospermaceae]
  • Cistaceae
  • Dipterocarpaceae
  • Malvaceae
  • Muntingiaceae
  • Neuradaceae
  • Sarcolaenaceae
  • Sphaerosepalaceae
  • Thymelaeaceae

Ao amin' ny fanasokajiana APG III (2009) dia ahitana ireto fianakaviana manaraka ireto:

  • Bixaceae Kunth (1822) (tafiditra ao Cochlospermaceae sy ny Diegodendraceae)
  • Cistaceae Juss. (1789)
  • Cytinaceae A.Rich. (1824)
  • Dipterocarpaceae Blume (1825)
  • Malvaceae Juss. (1789)
  • Muntingiaceae C.Bayer, M.W.Chase & M.F.Fay (1998)
  • Neuradaceae Kostel. (1835)
  • Sarcolaenaceae Caruel (1881)
  • Sphaerosepalaceae Tiegh. ex Bullock (1959)
  • Thymelaeaceae Juss. (1789)

Read next

In 71 languages

Text from Wikipedia, CC BY-SA 4.0 · Source article