Ny Sapindales dia filaharan-javamaniry mamony roa ravin-tsimoka. Nanasaraka ny fianakaviana Picramniaceae avy tamin' ny Simaroubaceae ny fanasokajiana APG II (2003), ary nanao azy ho filaharana vaovao Picramniales ny fanasokajiana APG III (2009).
Fanasokajiana anatiny

2 images
Fanasokajian' i Conquist
Ao amin' ny fanasokajiana klasikan' i Cronquist (1981) dia misy fianakaviana 15 ny ao amin' ny filaharana Sapindales:
- Aceraceae
- Akaniaceae
- Anacardiaceae
- Bretschneideraceae
- Burseraceae
- Cneoraceae
- Hippocastanaceae
- Julianaceae
- Meliaceae
- Melianthaceae
- Rutaceae (voasary sy Citrus hafa)
- Sapindaceae
- Simaroubaceae (tafiditra ao ny karazana ao amin' ny Picramniaceae)
- Staphyleaceae
- Zygophyllaceae
Fanasokajiana APG III
Ao amin' ny fanasokajiana APG III (2009) dia ireto ny fianakaviana ao amin' ny filaharana Sapindales:
- Anacardiaceae R.Br. (1818) (ahitana ny manga sy ny mahabibo, tafiditra ao ny karazana tao amin' ny Julianiaceae)
- Biebersteiniaceae Schnizl. (1856)
- Burseraceae Kunth (1824)
- Kirkiaceae Takht. (1967) (avy amin' ny fianakaviana klasika Simaroubaceae)
- Meliaceae Juss. (1789)
- Nitrariaceae Lindl. (1835) (tafiditra ao ny karazana tao amin' ny Peganaceae Tiegh. ex Takht. sy ny karazana tao amin' ny Tetradiclidaceae Takht.)
- Rutaceae Juss. (1789) (tafiditra ao ny karazana tao amin' ny Cneoraceae)
- Sapindaceae Juss. (1789) (tafiditra ao ny karazana tao amin' ny Aceraceae sy ny karazana tao amin' ny Hippocastanaceae)
- Simaroubaceae DC. (1811)
