factograf
MG

Landy

Landy
Akoran-dandy
Akoran-dandy
Fihodinana landy ataon' ny mpanao asa tanana any Sina (Hotan)
Fihodinana landy ataon' ny mpanao asa tanana any Sina (Hotan)
Bibin-dandy
Bibin-dandy
3 images

Ny landy dia tsiraka voajanahary vokarin' ny lolo na hala ary ampiasaina amin' ny fanenomana lamba sy zavatra vita amin' ny lamba. Maro ny bibikely mamokatra landy, anisan' izany ny hala (ladin-kala) sy ny fandain' ny lolo sasany (Yponomeutes, Bombyx).

Ny lamba landy dia azo avy amin' ny akoran-dandy vokarin' ny olitra (soherina) an' ny samoina ho an' ny landy ompiana, ary avy amin' ny olitra Tussah (karazana fanday maromaro amin' ny karazana Antheraea) ho an' ny landidia. Mety teo anelanelan' ny taona 2000 sy 3000 tal. J.K any ho any no nahitana ny landy voalohany.

Ny teknika amin' ny famokarana landy dia nanomboka tamin' ny taona 2500 tal. J.K. any ho any ary avy any Sina tamin' ny alalan' ny Lalan' ny Landy. Nafenina hatramin' ny taona 560 izany. Nanomboka tany Eorôpa tamin' ny taonjato faha-6 ny famokarana landy.

Read next

In 119 languages

Text from Wikipedia, CC BY-SA 4.0 · Source article