Ny kôbalta dia singa ara-tsimia miloko fotsy manopy volom-bolafotsy, izay aseho amin' ny alalan' ny eva Co, sady mitondrana ny laharana atômika 27. Iray fianakaviana amin' ny vy sy ny nikela izy nefa misy herin' andriamby. Amin' ny maripanan' ny tontolo manodidina dia kely ny fahafahana mandrirotra azy sady kely koa ny tohitra ao aminy, amin' ny maripana ambony kosa dia miha mora rotitina izy. Mitsonika ny kôbalta amin' ny maripana 1 495 °C ary mangotraka amin' ny maripana 2 927 °C. Manana hakitroka 8,9 izy ary ny lanja atômikany dia 58,933. Laharana faha-30 ny kôbalta raha ny hamarony ao anaty Tany no heverina. Ny akoran-kôbaltitan' i Ontario any Kanadà sy ao amin' ny firenena ao Afrika Afovoany (Repoblika Demôkratikan' i Kôngô sy Zambia) no loharano ahazoana betsaka indrindra ny kôbalta amidy eo amin' ny tsena iraisam-pirenena. Ny taharo ahitana tsỳ, atao hoe tsìn-kôbalta dia ampiasaina amin' ny fanamboarana andriamby maharitra.
Kôbalta

Read next
In 159 languages
mgAfrikaansአማርኛaragonésअंगिकाالعربيةالدارجةمصرىasturianuKotavaअवधीazərbaycancaتۆرکجهбашҡортсаBasa BaliBikol Centralбеларуская (тарашкевіца)беларускаябългарскиभोजपुरीပအိုဝ်ႏဘာႏသာႏবাংলাབོད་ཡིགbrezhonegbosanskicatalà閩東語 / Mìng-dĕ̤ng-ngṳ̄CebuanoکوردیcorsučeštinaчӑвашлаCymraegdanskDeutschދިވެހިބަސްΕλληνικάEnglishEsperantoespañoleestieuskaraفارسیsuomifrançaisNordfriiskfurlanGaeilgeGàidhliggalegoગુજરાતીGaelg客家語 / Hak-kâ-ngîעבריתहिन्दीFiji HindihrvatskimagyarհայերենԱրեւմտահայերէնinterlinguaBahasa IndonesiaIdoíslenskaitaliano日本語la .lojban.JawaქართულიKabɩyɛқазақшаಕನ್ನಡ한국어kurdîкомиkernowekкыргызчаLatinaLëtzebuergeschLimburgsLigurelombardlietuviųlatviešuмокшеньмакедонскиമലയാളംмонголमराठीкырык марыBahasa Melayuမြန်မာဘာသာэрзяньPlattdüütschनेपालीनेपाल भाषाNederlandsnorsk nynorsknorskNovialDiné bizaadoccitanlivvinkarjalaOromooиронਪੰਜਾਬੀPapiamentupolskiPiemontèisپنجابیپښتوportuguêsRuna Simiရခိုင်românăarmãneashtiрусскийसंस्कृतम्sardusicilianuScotsسنڌيsrpskohrvatski / српскохрватскиසිංහලSimple EnglishslovenčinaslovenščinaSoomaaligashqipсрпски / srpskiSeelterskSundasvenskaKiswahiliதமிழ்తెలుగుтоҷикӣไทยTagalogtoki ponaTürkçeтатарча / tatarçaئۇيغۇرچە / Uyghurcheукраїнськаاردوoʻzbekcha / ўзбекчаvepsän kel’Tiếng ViệtwalonWinaray吴语хальмгייִדישYorùbá文言閩南語 / Bân-lâm-gí粵語中文isiZulu
Text from Wikipedia, CC BY-SA 4.0 · Source article