factograf
MG

Fampianarana

Fampianarana
Rehefa liana dia afaka mivoatra
Rehefa liana dia afaka mivoatra

Ny fampianarana, dia manan-tanjona ny mampitombo ny fahaizan'ny mpianatra amin'ny alalan'ny fifandraisana an-tsoratra na am-bava. Ny mpampianatra, ao amin'ny fianarana ankehitirny dia mampianatra mba hampita ny fahaizany.

Ny olona rehetra dia manana zo hianatra, na dia izany aza dia misy ny fampianarana maimaimpoana ary misy ny andoavam-bola.

Ny tanjon'ny fampianarana dia ny:

  • Hampivelatra ny fahalalana ara-tsaina, ny fahaizana, ny talenta voajanahary.
  • Hampiomanana azy handray sy hiatrika andraikitra ho avy.
  • Hanavaozana sy hampandrosoana ny fomba fisainana.
  • Hahazoana fahamatoarana ara-batana sy ara-tsaina ho an'ny mpianatra.
  • Hampivoarana ny toe-tsaina tia mamorona.
  • Hanamafisana ny fifandraisana ara-tsosialy.
  • Hisorohana sy hitondrana ny tsy fitoviana ara-batana, ara-tsaina, ara-kolontsaina ary ara-piaraha-monina.

Jereo koa

Read next

In 45 languages

Text from Wikipedia, CC BY-SA 4.0 · Source article