factograf
MG

Fahasalamana

Fahasalamana

Ny fahasalamana dia toetra ara-batana sy ara-tsaina ary ara-piarahamonina ananan'ny olona salama, izay tokony ho hita amin'ny zavaboary rehetra, indrindra ny olombelona, izany hoe na ny fahasalamana ara-tsaina na ara-batana dia samy azo faritana amin'ny zavaboary manana aina, mitafy nofo sy ra avokoa. Dokotera na mpitsabo no fiantsoana ny olona manam-pahaizana momba ny fahasalamana, ary ankehitriny dia misy ny fikambanana iraisam-pirenena misahana ny fahasalamana toy ny Fikambanana Manerantany momba ny Fahasalamana izay atao amin' ny teny frantsay hoe Organisation Mondiale de la Santé (na OMS).

Ny tanjon’ny fahasalamana dia ny hahazoan’ny olona rehetra:

  1. Fiainana ara-batana sy ara-tsaina salama tsara: izany hoe tsy misy aretina, mahavita manatanteraka asa andavanandro, mahatsapa ho mahery sy matoky tena amin’ny lafiny rehetra.
  2. Fiainana maharitra sy manan-kasina: mankafy fiainana lava sy lavorary amin’ny maha-olombelona, tsy voafehin’ny aretina na fahasembanana.
  3. Fisorohana aretina: ny fahasalamana dia tsy hoe tsy marary na salama fotsiny, fa miaro tena amin’ny loza mety hitranga: sakafo ara-pahasalamana, fanatanjahan-tena, fahadiovana, sns.
  4. Fahavitan-tena sy fandraisana andraikitra: mahafehy sy mahatsapa ny andraikiny amin’ny fikajiana ny fahasalamany manokana sy an’ireo manodidina azy.
  5. Fiarahamonina salama: rehefa salama ny tsirairay, dia miroborobo koa ny fianakaviana sy ny fiarahamonina amin’ny ankapobeny.

Araka ny famaritana avy amin'ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana (OMS):

“Ny fahasalamana dia toe-javatra feno fahasalamana ara-batana, ara-tsaina, ary ara-tsosialy – fa tsy ny tsy fisian’ny aretina fotsiny ihany.”

Jereo koa

Read next

In 174 languages

mgAfrikaansAlemannischአማርኛaragonésالعربيةالدارجةمصرىঅসমীয়াasturianuazərbaycancaتۆرکجهбашҡортсаBasa BaližemaitėškaBikol Centralбеларуская (тарашкевіца)беларускаябългарскиBanjarပအိုဝ်ႏဘာႏသာႏবাংলাবিষ্ণুপ্রিয়া মণিপুরীbrezhonegbosanskiбуряадcatalàCebuanoᏣᎳᎩکوردیcorsučeštinaсловѣньскъ / ⰔⰎⰑⰂⰡⰐⰠⰔⰍⰟчӑвашлаCymraegdanskDeutschΕλληνικάemiliàn e rumagnòlEnglishEsperantoespañoleestieuskaraestremeñuفارسیsuomivõroNa Vosa Vakavitifɔ̀ngbèfrançaisarpetanfurlanGaeilgekriyòl gwiyannenGàidhliggalegoAvañe'ẽHausa客家語 / Hak-kâ-ngîHawaiʻiעבריתहिन्दीFiji HindihrvatskiKreyòl ayisyenmagyarհայերենԱրեւմտահայերէնinterlinguaBahasa IndonesiaIgboIlokanoгӀалгӀайIdoíslenskamedžuslovjanskyitaliano日本語Patoisla .lojban.JawaქართულიTyapGĩkũyũқазақшаភាសាខ្មែរಕನ್ನಡYerwa Kanuri한국어къарачай-малкъарkurdîкыргызчаLatinaLëtzebuergeschLimburgslombardລາວlietuviųlatviešuMadhurâмокшеньмакедонскиമലയാളംमराठीBahasa MelayuMirandésမြန်မာဘာသာPlattdüütschनेपालीनेपाल भाषाNederlandsnorsk nynorsknorskNouormandoccitanଓଡ଼ିଆਪੰਜਾਬੀKapampanganNaijáPälzischपालिpolskiPiemontèisپنجابیپښتوportuguêsRuna Simiရခိုင်românăрусскийрусиньскыйसंस्कृतम्саха тылаᱥᱟᱱᱛᱟᱲᱤsardusicilianuScotsسنڌيsrpskohrvatski / српскохрватскиසිංහලSimple EnglishslovenčinaslovenščinachiShonaSoomaaligashqipсрпски / srpskiSundasvenskaKiswahiliதமிழ்తెలుగుтоҷикӣไทยትግርኛTagalogtoki ponaTürkçeXitsongaтатарча / tatarçachiTumbukaтыва дылукраїнськаاردوvepsän kel’Tiếng ViệtWinaray吴语ייִדישZeêuws閩南語 / Bân-lâm-gí粵語中文

Text from Wikipedia, CC BY-SA 4.0 · Source article