factograf
MG
Sign in

Citrus

Citrus

Ny Citrus dia antokon-javamaniry mamony, hazo madinika sy hazobotry, ao amin' ny fianakaviana Rutaceae. Anisan' ny zavamaniry atao amin' ny teny malagasy hoe voasary na voangy ny karazana maro ao aminy. Mamokatra voam-boasary ny zavamaniry ao amin' ilay karazana, anisan' izany ny vokatra manan-danja toy ny voasary mamy, voasarimakirana, laoranjy sns. Teratany any Azia Atsimo, any Azia Atsinanana, any Azia Atsimo-Atsinanana, any Melanezia ary anyAostralia ny antoko Citrus. Efa nampiasain' ny kolontsaina teratany any amin' ireo faritra ireo hatramin' ny taloha ny voasary isan-karazany.

Karazana sy safiotra

"Tanan' i Bouddha" (Citrus medica var. sarcodactylis)
"Tanan' i Bouddha" (Citrus medica var. sarcodactylis)
"Tanan' i Bouddha" (Citrus medica var. sarcodactylis)
"Tanan' i Bouddha" (Citrus medica var. sarcodactylis)
Citrus hystrix
Citrus hystrix
Citrus medica
Citrus medica
Citrus australasica (voany manta)
Citrus australasica (voany manta)
Citrus australasica (voany masaka)
Citrus australasica (voany masaka)
6 images

Miovaova arakaraka ny fomba fiasa ara-taksônômia ataon' ny manam-pahaizana ny isan' ny karazana ao amin' ny antoko Citrus, satria ahitana fiforonana safiotra taloha sy vao haingana io vondrona io. Tsy sahala amin' ny antoko bôtanika hafa izay marin-toerana kokoa ny voasary satria mitambatra ho safiotra mora foana, ka miteraka fomba fanisana samihafa ny karazana arakaraka ny vanim-potoana teo amin' ny tantara (manodidina ny 10 ka hatramin' ny manodidina ny 160).

Ohatra, manavaka karazana 16 eo ho eo ny fanasokajiana nataon' i Walter T. Swingle sy i Reece (1967). Nahitana karazana hatramin' ny 156 ny fanasokajiana nataon' i Tyozaburo Tanaka (1961), satria safiotra maro no nomeny satan-karazana feno. Mampiseho ny fandinihana vao haingana fa avy amin' ny karazana razambe vitsivitsy ny ankamaroan' ny voasary ambolena (4 hatramin' ny 10).

Safiotra avy amin' ny karazana fototra (Citrus medica, Citrus maxima, Citrus reticulata, Citrus micrantha) ny endrika manan-danja hafa rehetra (laoranjy, voasarimakirana, matsitso, sns).

Karazana fototra

Indreto ny karazana fototra misa 8:

  • Citrus medica
  • Citrus maxima
  • Citrus reticulata
  • Citrus micrantha
  • Citrus mangshanensis
  • Citrus hystrix
  • Citrus cavaleriei
  • Citrus japonica

Karazana avy amin' ny karazana fototra

Raha ampidirina ao anatin' ny lisitra ny safiotra sy taksôna marin-toerana rehetra fantatra amin' ny agrônômia, dia matetika mihoatra ny 20 ka hatramin' ny 30 ny anarana siantifika ampiasaina amin' ny literatiora natokana ho an' ny voasary.Amin' izao fotoana izao dia misy karazana 28 eken' ny Plants of the World Online (POWO):

  • Citrus assamensis
  • Citrus australasica
  • Citrus australis
  • Citrus cavaleriei
  • Citrus garrawayae
  • Citrus glauca
  • Citrus gracilis
  • Citrus halimii
  • Citrus hystrix
  • Citrus indica
  • Citrus inodora
  • Citrus japonica
  • Citrus khasya
  • Citrus latipes
  • Citrus mangshanensis (na Citrus deliciosa)
  • Citrus maxima
  • Citrus medica
  • Citrus neocaledonica
  • Citrus oxanthera
  • Citrus polytrifolia
  • Citrus pubinervia
  • Citrus reticulata
  • Citrus swinglei
  • Citrus trifoliata
  • Citrus undulata
  • Citrus wakonai
  • Citrus warburgiana
  • Citrus wintersii

Lisitra fanampiny

  • Citrus brevipes
  • Citrus floridana
  • Citrus garrawayae
  • Citrus garrawayi
  • Citrus georgiana
  • Citrus grandis
  • Citrus insitorum
  • Citrus junos
  • Citrus latifolia
  • Citrus limon
  • Citrus lucida
  • Citrus microcarpa
  • Citrus platypoda
  • Citrus polyandra
  • Citrus taitensis
  • Citrus webberi

Safiotra

  • Citrus × aurantifolia
  • Citrus × aurantium
  • Citrus × bergamia
  • Citrus × clementina
  • Citrus × ichangensis
  • Citrus × jambhiri
  • Citrus × latifolia
  • Citrus × limetta
  • Citrus × limettioides
  • Citrus × limodulcis
  • Citrus × limon
  • Citrus × limonia
  • Citrus × limonia
  • Citrus × nobilis
  • Citrus × paradisi
  • Citrus × reshni
  • Citrus × sinensis
  • Citrus × tangelo
  • Citrus × tangerina
  • Citrus unshiu

Karazana misy eto Madagasikara

Indreto ny karazana ao amn' ny Citrus fahita indrincra eto Madagasikara:

  • Citrus aurantiifolia (Christm.) Swingle (Citrus × aurantiifolia) -- hangy, angy, voasarimakirana, sôhafoe, tsôhamatsiko
  • Citrus aurantium L. na Citrus × aurantium L. (← Citrus bigaradia) -- voangikely, voatolongo, voasarimangidy, voangimafaitra
  • Citrus maxima (Burm.) Merr. (← Citrus grandis (L.) Osbeck, Citrus decumana)  voahangibe -- angibe, hangibe, voasaribe
  • Citrus hystrix (Citrus × hystrix DC.) --  voangabe, voangibe, Kombava
  • Citrus limon (L.) Burm.f. (Citrus × limon (L.) Osbeck) -- tsaobiloha, tsohamadiro, voasarimakirana
  • Citrus medica L. (nampidirina) -- voantolongo, tsilongo, voatsilongo, tolongo, tsilongo
  • Citrus reticulata Blanco (← Citrus vangasay Bojer) --  mandarinina, mandarina, voasary mandarina
  • Citrus sinensis (L.) Osbeck --  matsioka, voasary, laoranjy, voasary mami-fara
  • Citrus voangiala Curk. -- vangasay, voangiala

Jereo koa

Read next

In 108 languages

Text from Wikipedia, CC BY-SA 4.0 · Source article