factograf
MG

Botry

Botry

Ny botry dia karazana sambolay arabo nentim-paharazana vita amin' ny hazo, misy andrin-tsambo iray na maromaro nopetahana lay telo zoro na efa-joro, avy any amin' ny Ranomasina Mena. Ny teny hoe "botry" dia teny mahafao-be izay manondro karazana sambo hafa mitovitovy firafitra amin' io voalohany io any amin' ny Ranomasimbe Indiana, io teny io koa dia manondro sambo kely misy lay na misy môtera, izay taranaka mivantana avy amin' ireo sambo nentim-paharazana ireo.

Read next

In 43 languages

Text from Wikipedia, CC BY-SA 4.0 · Source article