Ny Xanthorrhoeaceae dia fianakavian-javamaniry tokan-dravin-tsimoka. Izy ireo dia hazobotry, na zavamaniry misy sampana toy ny hazo, na saika tsy misy tahony, maniry mihoatra ny roa taona, manana ravina maitso lalandava sy misy taranjany na vodiny ambanin' ny tany.
Fanasokajiana
Araka ny fanasokajian' i Cronquist (1981) dia voatendry ao amin' ny filaharana Liliales, ao amin' ny kilasy Liliopsida, ny fianakaviana Xanthorrhoeaceae. Mametraka ity fianakaviana ity ao amin' ny filaharana Asparagales ny fanasokajiana APG (1998). Araka ny fanasokajiana APG II (2003) dia mety ahitana zavamaniry efa napetraka taloha ao amin' ny fianakaviana Hemerocallidaceae sy Asphodelaceae ity fianakaviana ity. Mametraka ao amin' io fianakaviana io ny vondron-karazana izay tao amin' ny fianakaviana Asphodelaceae sy Hemerocallidaceae (anisan' izany ny vondron-karazana Hemerocallis sy Phormium) ny fanasokajiana APG III (2009). Araka ny fanasokajiana APG IV (2016) dia misolo ny fianakaviana Xanthorrhoeaceae ny fianakaviana Asphodelaceae.
Lisitry ny vondron-karazana


Inty ny lisitry ny vondron-karazana ao amin' ny Xanthorrhoeaceae araka ny World Checklist of Selected Plant Families (WCSP) (4 Mey 2012):
- Agrostocrinum F.Muell. (1860)
- Aloe L. (1753)
- Arnocrinum Endl. & Lehm. (1846)
- Asphodeline Rchb. (1830)
- Asphodelus L. (1753)
- Astroloba Uitewaal (1947)
- × Astroworthia G.D.Rowley (1967)
- Bulbine Wolf (1776)
- Bulbinella Kunth (1843)
- Caesia R.Br. (1810)
- Chortolirion A.Berger (1908)
- Corynotheca F.Muell. ex Benth. (1878)
- Dianella Lam. ex Juss. (1789)
- Eccremis Willd. ex Schult. & Schult.f. (1829)
- Eremurus M.Bieb. (1832)
- Gasteria Duval (1809)
- Geitonoplesium A.Cunn. ex R.Br. (1832)
- Haworthia Duval (1809)
- Hemerocallis L. (1753)
- Hensmania W.Fitzg. (1903)
- Herpolirion Hook.f. (1853)
- Hodgsoniola F.Muell. (1896)
- Jodrellia Baijnath (1978)
- Johnsonia R.Br. (1810)
- Kniphofia Moench (1794)
- Pasithea caerulea D.Don (1832)
- Phormium J.R.Forst. & G.Forst. (1775)
- Simethis Kunth (1843)
- Stawellia F.Muell. (1870)
- Stypandra R.Br. (1810)
- Thelionema R.J.F.Hend. (1985)
- Trachyandra Kunth (1843)
- Tricoryne R.Br. (1810)
- Xanthorrhoea Sm. (1798)
Inty ny lisitry ny vondron-karazana ao amin' ny Xanthorrhoeaceae araka ny NCBI (16 Avr. 2010):
- zana-pianakaviana Asphodeloideae (mifanandrify amin' ny fianakaviana Asphodelaceae teo aloha)
- Aloe
- Asphodeline
- Asphodelus
- Astroloba
- Astroworthia
- Bulbine
- Bulbinella
- Chortolirion
- Eremurus
- Gasteria
- Haworthia
- Hesperaloe
- Jodrellia
- Kniphofia
- Lomatophyllum
- Poellnitzia
- Trachyandra
- zana-pianakaviana Hemerocallidoideae (mifanandrify amin' ny fianakaviana Hemerocallidaceae teo aloha)
- Agrostocrinum
- Arnocrinum
- Caesia
- Corynotheca
- Dianella
- Eccremis
- Geitonoplesium
- Hemerocallis
- Hensmania
- Herpolirion
- Johnsonia
- Pasithea caerulea
- Phormium
- Rhuacophila
- Simethis
- Stawellia
- Stypandra
- Thelionema
- Tricoryne
- zana-pianakaviana Xanthorrhoeoideae
- Xanthorrhoea
- Ny Angiosperm Phylogeny Website (20 Mey 2010) sy ny DELTA Angio (16 Avr. 2010) dia tsy manaiky afa-tsy vondron-karazana tokana:
- Xanthorrhoea Smith