factograf
MG
Sign in

foto-drafitr'asa natokana honenana

Trano

Trano

Trano

Ny trano dia rafitra na fanorenana natao hitoeran’ny olona na hanatanterahana asa manokana. Izy no toerana fialofana amin’ny orana sy masoandro, toerana iainana ny fiainana andavanandro, ary koa mariky ny kolontsaina sy ny tantaran’ny fiarahamonina iray. Anisan'ny fanirian'ny olona marobe ny hanana trano satria sokajiana toy ny harena ny trano

Tantara

Hatramin’ny fahagola, ny olombelona dia efa nanorina fialofana tsotra natao avy amin’ny hazo, ravina, na vato. Rehefa nandroso ny teknika fanorenana, dia nivoatra ho trano misy rindrina, tafo ary fizarazarana anatiny ny trano. Ny trano dia hita amin’ny endrika sy fomba maro arakaraka ny kolontsaina sy ny toetr’andro.

Karazana trano

  • Trano fonenana: toerana ipetrahan’ny olona sy fianakaviana.
  • Trano fivavahana: toy ny fiangonana, moske, na tempoly.
  • Trano fandraharahana: birao, toeram-pivarotana, na orinasa.
  • Trano fanabeazana: sekoly, anjerimanontolo.
  • Trano fitsaboana: hopitaly, toeram-pitsaboana.

sy ny sisa maro hafa toy ny trano fandraisam-bahiny, trano fisakafoana

Trano sy kolontsaina

Ny endriky ny trano dia maneho ny kolontsaina sy ny toetr’andro misy amin’ny faritra iray.

  • Any Madagasikara, ohatra, dia misy ny trano nentim-paharazana vita amin’ny hazo sy ravina, ary koa ny trano vato misy tafo hazo fatory (trano gasy).
  • Any Japana, misy ny trano minka vita amin’ny hazo sy ravina, ary mora alamina amin’ny fotoana voina.
  • Any Eoropa, ny trano dia vita amin’ny biriky sy vato, miaraka amin’ny endrika manaraka ny vanim-potoana ara-tantara.

Fitaovana fanorenana

Ny fitaovana ampiasaina amin’ny fanorenana trano dia miovaova:

Anjara toerana

Ankoatra ny maha-toerana hitoerana azy, ny trano dia manan-danja ara-tsosialy sy ara-toekarena. Mety ho mariky ny sata, ny tantara, ary ny fandrosoana ara-tsivilizasiona izy.

Read next

In 210 languages

mgAcèhAfrikaansAlemannischአማርኛPangcaharagonésÆngliscالعربيةܐܪܡܝܐمصرىঅসমীয়াasturianuAymar aruazərbaycancaتۆرکجهбашҡортсаžemaitėškaBikol Centralбеларуская (тарашкевіца)беларускаяBetawiбългарскиभोजपुरीBanjarပအိုဝ်ႏဘာႏသာႏবাংলাབོད་ཡིགbrezhonegbosanskiBatak MandailingBasa UgicatalàChavacano de Zamboanga閩東語 / Mìng-dĕ̤ng-ngṳ̄нохчийнCebuanoTsetsêhestâheseکوردیcorsuqırımtatarcačeštinaсловѣньскъ / ⰔⰎⰑⰂⰡⰐⰠⰔⰍⰟчӑвашлаCymraegdanskdagbanliDeutschDagaareZazakiΕλληνικάemiliàn e rumagnòlEnglishEsperantoespañoleestieuskaraestremeñuفارسیsuomiNa Vosa VakavitifrançaisarpetanNordfriiskfurlanFrysk贛語kriyòl gwiyannenGàidhliggalegoگیلکیAvañe'ẽBahasa HulontalowayuunaikigungbeHausa客家語 / Hak-kâ-ngîעבריתहिन्दीFiji HindihrvatskiKreyòl ayisyenmagyarհայերենinterlinguaJaku IbanBahasa IndonesiaInterlingueIñupiatunIlokanoIdoíslenskamedžuslovjanskyitaliano日本語PatoisJawaქართულიTaqbaylitJjuKabɩyɛTyapKongoKumoringқазақшаಕನ್ನಡYerwa Kanuri한국어کٲشُرkernowekкыргызчаLatinaLëtzebuergeschLingua Franca NovaLimburgslombardlingálaລາວlietuviųlatviešuमगहीолык марийMinangkabauмакедонскиമലയാളംꯃꯤꯇꯩ ꯂꯣꯟဘာသာမန်mooreкырык марыBahasa Melayuမြန်မာဘာသာэрзяньمازِرونیNedersaksiesPlattdüütschनेपालीनेपाल भाषाNederlandsnorsk nynorsknorskNouormandoccitanଓଡ଼ିଆਪੰਜਾਬੀPicardNaijáPälzischpolskiPiemontèisپنجابیپښتوportuguêsRuna Simiromani čhibikirundiromânăarmãneashtiрусскийрусиньскыйIkinyarwandaсаха тылаsardusicilianuScotsسنڌيsrpskohrvatski / српскохрватскиTaclḥitSimple EnglishslovenčinaslovenščinachiShonaSoomaaligashqipсрпски / srpskiSundasvenskaKiswahiliꠍꠤꠟꠐꠤதமிழ்TayalತುಳುతెలుగుтоҷикӣไทยTagalogtoki ponaTürkçeSeediqтатарча / tatarçaTwiукраїнськаاردوoʻzbekcha / ўзбекчаvènetovepsän kel’Tiếng ViệtWest-VlamswalonWinarayWolof吴语хальмгმარგალურიייִדישYorùbáVahcuengh閩南語 / Bân-lâm-gí粵語中文isiZulu

Text from Wikipedia, CC BY-SA 4.0 · Source article