factograf
MG

Tormalinina

Tormalinina
Tormalinina avy any Brezila
Tormalinina avy any Brezila
Tormalinina hita tao amin' ny distrikan' Ambositra (faritra Amoron' i Mania, Madagasikara)
Tormalinina hita tao amin' ny distrikan' Ambositra (faritra Amoron' i Mania, Madagasikara)
2 images

Ny tormalinina dia vondrona mineraly silikata kristalinina, vokatry ny fitambarana simika saro-drafitra sy miovaova indraindray, izay ahitana ny bôra mifangaro amin' ny singa toy ny viraty, ny vy, ny maneziôma, ny sôdiôma, ny litiôma, na ny pôtasiôma sy ny maro hafa. Miseho amin' ny loko isan-karazany izy ka heverina ho vatosoa rehefa mangarahara sy voapaika.

Ny singa fototra amin' ny tormalinina dia ny silisy sy ny viraty izay, amin' ny ampahany saika mifandanja, mahaforona ny telo ampahefatr' ilay rafitra. Ny ampahefany sisa dia ahitana ny asidra bôrika, ny ôksida-na vy, ôksida-na manganezy, ny maneziôma, ny sokay, soda, pôtasy ary ny litiôma, singa izay tsy voatery ho hita ao avokoa. Ny tormalinina, izay mafy kokoa noho ny vatokaranana (na koartsa) fa malemy kokoa noho ny tôpazy, dia manana hamafy 7 ka hatramin' ny 7,5 sy hakitroka 2,98 hatramin' ny 3,20.

Ny fanjelany dia toy ny fitaratra. Matetika izy no manopy mainty, mainty-manja na mainty manopy manga. Misy ny karazany manga sy maitso ary mena. Tsy fahita firy ny karazana fotsy na tsy misy loko. Ny tormalinina mena dia fantatra amin' ny anarana hoe robelita, ny karazana manga hatsatra na manga-mainty amin' ny anarana hoe indigôlita.

Ny anarana hoe tormalinina dia avy amin' ny teny singaley hoe ටෝරමල්ලි / tōramalli, izay manondro ny vatosoa kôrnalinina.

Jereo koa

Faritra ahitana tormalinina betsaka
Faritra ahitana tormalinina betsaka

Read next

In 63 languages

Text from Wikipedia, CC BY-SA 4.0 · Source article