factograf
MG
Sign in

Karazan-kazo misy fatsika

Lantana camara

Lantana camara

Ny Lantana camara dia karazana kirihitra ao amin' ny fianakaviana Verbenaceae. Amin' ny teny malagasy izy dia atao hoe radredreka, radriaka, riadriatra ary taindelontsinoa. Ity zavamaniry ity dia teratany any any Meksika ka hatrany Amerika Trôpikaly, saingy amin' izao fotoana izao dia maniry manerana ny faritra trôpikaly rehetra izy. Anisan' ny karazan-javamaniry 100 ratsy indrindra izy io araka ny voalazan' ny IUCN. Tao amin' ny fianakaviana Lamiaceae izy ity tamin' ny fanakilasiana taloha.

Famariparitana

Voniny sy raviny
Voniny sy raviny
Voany masaka
Voany masaka
2 images

Kirihitra misy tsilo, miendrika boribory na mivelatra ny Lantana camara. Mahatratra 0,5 hatramin’ ny 3 m ny haavony. Efa-joro sy misy tsilo maro mifaingoka midina ny tahony.

Ravina

Mitambatambatra ary mifanohitra ny raviny maitso matroka sy misy nifinifiny. Tahaka ny tahony dia mamoaka fofona mahery ny raviny rehefa potehina.

Vony

Ao anaty katsaoka misy loko maro ny vondromboniny. Manomboka amin' ny lohataona ka hatramin' ny fararano ny fe-potoana mampamony azy. Mavo na mavokely ny voniny.

Voa

Kely ny voany ary mivondrona nefa tsy mitambatra. Mainty izy ireo rehefa masaka. Poizina izy ireo raha mbola manta. Any India, mamoa mandavan-taona io zavamaniry io, izay toa misy fiatraikany amin' ny vorona.

Ekôlôjia

Ny vorona Orthorhyncus cristatus
Ny vorona Orthorhyncus cristatus
Ny lolo Cethosia cyane eo amin' ny vonin" ny radriaka
Ny lolo Cethosia cyane eo amin' ny vonin" ny radriaka
2 images

Maro ny vorona sy biby hafa mihinana ny voany ka manampy azy amin' ny fiparitahany. Maro koa ny karazana lolo mihinana ny mamimbonin' ny Lantana camara. Fantatra fa mihinana ny mamin' ny voniny ny Papilio homerus, izay lolo lehibe indrindra any amin' ny ila bolantany andrefana. Mifandray akaiky amin' ny Lantana camara ny hala Evarcha culicivora izay mihinana ny mamimboniny io sy mampiasa an' io zavamaniry io ho toerana fihaon' ny lahy sy ny vavy.

Faritra sy toerana aniriany

Faritra eto amin' izao tontolo izao anirian' ny Lantana camara
Faritra eto amin' izao tontolo izao anirian' ny Lantana camara

Araka ny voalazan' ny Plants of the World Online (POWO), ny faritra anirian' ny Lantana camara dia mivelatra manomboka any Meksika ka hatrany amin' ny faritra trôpikalin' i Amerika: Meksika, Goatemalà, Nikaragoà, Panama, Kiobà, faritra atsimo-andrefana amin' ny Karaiba, Repoblika Dôminikanina, Antilia Neerlandey, Venezoela, Kôlômbia, Ekoadôra, ary ny faritra avaratra sy afovoany-andrefana amin' i Brezila.

Nampidirina tany amin' ny faritra hafa koa io karazana zavamaniry io, dia tany Assam (India), Bangladesy, Galápagos, Ginea, Hawaii, Italia, Malta, Kenià, Nepaly, Queensland (Aostralia), Srilanka, ary Repoblika Demôkratikan' i Kôngô. Ao amin' ny faritra manana toetany sobtrôpikaly no tena anirian' io zsavamaniry io.

Nampidirin' ny zaridaina bôtanika maro na nampiasaina ho zavamaniry fanao haingon-tanàna any amin' ny kôntinanta samihafa izy io. Heverina ho teratany avy ao amin' ny lohasaha ambany amin' i Rio Grande (Texas) any Etazonia izy.

Fampiasana azy

Voany manta
Voany manta

Asa tanana

Azo ampiasaina hanamboarana latabatra sy seza vita amin' ny tahony, kifafa vita amin' ny fanambarana ny rantsany madinika ny radriaka.

Toetra ara-pitsaboana

Toa manamora ny fanaretan' ny vavony misy fery ary manakana ny fivoaran' ny ferin' ny lohatsinaikelin' ny voalavo ny akora misy metanôla avy amin' ny ravin' ny Lantana camara. Any Brezila dia azo iadiana amin' ny bakteria ary heverina ho mampihena fanaviana sy manamora ny fanafoanana ny etona anaty tsinay ("rivotra anaty kibo") ary mahasoa amin' ny fitsaboana ny aretin' ny taovam-pisefoana ny zavatra azo avy amin' ny raviny vaovao. Eto Madagasikara, ny radriaka iray manontolo dia atao tambavy hampihenana ny fanaviana.

Ny fandinihana natao tany India dia nahitana fa afaka iadiana amin' ny bakteria (Escherichia coli, Proteus mirabilis, Staphylococcus aureus) sy amin' ny holatra bitika (Candida albicans, Trichophyton mentagrophytes) ary ary amin' ny bibikely ny ravin' ny radriaka.

Fitsaboana nentim-paharazana

Nampiasaina tamin' ny fitsaboana nentim-paharazana hitsaboana aretina isan-karazany ny Lantana camara, anisan' izany ny homamiadana, ny hoditra mangidihidy, ny habokana, ny nendram-boalavo, ny kitrotro, ny sohika ary ny fery.

Eto Madagasikara dia ampiasaina amin' ny fitsaboana nentim-paharazana ny Lantana camara hitsaboana ny fiakaran' ny tosi-dra, ny fanaviana, ny kohaka sy ny aretin' ny taovam-pisefoana, ny fivalanana piriritra sy ny aretim-bavony, ny fery, ny aretin-koditra ary ny harerahana sy ny fanaviana vokatry ny harerahana. Ampiasaina koa izy io hikarakarana ny vehivavy avy niteraka.

Ireo fampiasana ny Lantana camara amin' ny fitsaboana nentim-paharazana ireo dia tsy porofon' ny fahombiazany.

Haingo

Nampidirina tany Nouvelle-Calédonie tamin' ny taona 1863 ny Lantana camara mba hanamboarana fefy manaingo. Amin' izao fotoana izao dia hita matetika any amin' ny zaridainana any Nouvelle-Calédonie io zavamaniry io na dia eo aza ny maha zavamaniry manafika azy sy ny fandraran' ny fanjakana ny fananana azy.

Fisian' ny pozina ao aminy

Ankoatra ny fironan' ny Lantana camara haka ny toerana voajanahary anirian' ny karazan-javamaniry hafa, dia mamokatra voa tena misy poizina ho an' ny olombelona sy ny biby maro ity zavamaniry ity raha hanina mbola maitso alohan' ny fahamasahany. Mamokatra triterpenôida ny raviny:

izay mahatonga azy hanimba ny aty sy hahatonga ny biby mpihinana ahitra (ondry, osy, omby, ary soavaly) ho mora tohina amin' ny tara-pahazavana, ka miteraka fahafatesan' ny biby maro be any Etazonia, ao Afrika Atsimo, any India, any Meksika ary any Aostralia.

Fanadiovana ny fahalotoan' ny tany

Araka ny fanadihadiana iray navoaka tamin' ny taona 2009, ao anatin' ny tany voaloton' ny firamainty (Pb), ny fisian' ny karazana kankan-tany Pontoscolex corethrurus (ao amin' ny fianakaviana Glossoscolecidae) dia mampitombo ny fahafahan' ilay zavamaniry mitroka io metaly io sy mampitombo ny habetsahana sy ny lanjan' ilay zavamaniry (na ny ampahany ambonin' ny tany na ny ao ambanin' ny tany); mampitombo ny tahan' ny akora ôrganika, ny fahafahan' ny tany mifanakalo katiôna, ary ny totalin' ny fisian' ny azôta ao amin' ny tany io kankana io, sady mahatonga ny totalin' ny pôtasiôma ho azon' ny zavamaniry ampiasaina. Mitombo ihany koa ny asan' ny anzima ao amin' ny faritra manodidina ny fakan' ilay zavamaniry. Azo lazaina fa vokatry ny asan' ny zavamananaina bitika ao anaty tany (indrindra fa ny bakteria sy ny holatra) izany, izay mahazo tosika avy amin' ny asan' ny kankan-tany ao anatin' ny nofon-tany miraikitra amin' ny faka. Araka ny voalazan' ny mpanoratra ilay asa fikarohana, ny fiaraha-miasan' ireo zavamananaina roa ireo dia manana fahafahana lehibe hanadiovana ny toerana indostrialy voaloton' ny firamainty.

Jereo koa

Read next

In 61 languages

Text from Wikipedia, CC BY-SA 4.0 · Source article