factograf
MG

Odontophoridae

Odontophoridae

Ny Odontophoridae dia fianakaviam-borona ao amin' ny filaharana Galliformes, ahitana karazana 34, vorona madinika miaina an-tanety kely (17 hatramin' ny 37 sm), manana vatana mihizina sy tongotra matanjaka ary elatra fohy. Any Amerika no ahitana azy ireo, manomboka any Etazonia ka hatrany Arzantina. Mipetraka any amin' ny ala trôpikaly sy sobtrôpikaly ary antonony izy ireo, ary koa eny amin' ny sisin' ny faritra misy ala, any amin' ny hivoka, sy eny amin' ny tany fambolena, manomboka amin' ny haambon' ny ranomasina ka hatramin' ny 3 300 m.

Lisitry ny vondron-karazana

Araka ny fanasokajian' ny International Ornithological Congress (versiona 15.1, 2025), ny fianakaviana Odontophoridae dia misy karazana 34 mizara amin' ny vondron-karazana 10:

  • Ptilopachus (karazana 2)
  • Dendrortyx (karazana 3)
  • Oreortyx (karazana 1)
  • Callipepla (karazana 4)
  • Philortyx (karazana 1)
  • Colinus (karazana 4)
  • Odontophorus (karazana 15)
  • Dactylortyx (karazana 1)
  • Cyrtonyx (karazana 2)
  • Rhynchortyx (karazana 1)

Jereo koa

Read next

In 45 languages

Text from Wikipedia, CC BY-SA 4.0 · Source article