factograf
MG
Sign in

Marburg

Marburg
I Marburg amin' ny ririnina
I Marburg amin' ny ririnina

50°49′N 08°46′E / 50.817°N 8.767°E

Marburg
Velarantany 123,91 km2 Haavo Isan'ny mponina 77 845 Ben'ny tanàna Thomas Spies Firenena Alemaina Fanjakana Hessen Faritany Faritra Tanàna mifanolo-bodirindrina Marburg

I Marburg dia tanàna any Hessen ((frantsay: Hesse), any Alemaina, renvohitry ny boriborintanin' i Marburg-Biedenkopf. Mamakivaky azy ny renirano Lahn. Tanàna afaka nanomboka tamin' ny taonjato faha-12, izay nahazoany ny fizakantenan' ny kaominina. Avy amin' izany lova izany no niavian' ny sata manokana izay azy hatramin' izao, toa ireo tanàna enina hafa ao Hessen.

Ny Philipps-Universität ao Marburg, izay naorina tamin' ny taona 1527, dia iray amin' ny oniversite prôtestanta tranainy indrindra any Alemaina. Nanome laza ny tanànan' i Marburg izy io sady mifamatotra amin' ny maha izy azy an' ity tanàna ity. Tanànan' ny mpianatra i Marburg, izay miorina an-tahezan-kavoana.

Mampiavaka azy ny ny fananany tranobe sy trano fiangonana gôtika natokana ho an' i Masimbavy Elisabeth. Ity farany ity, izay andrikambavin' i Hôngria avy mba honina ao hitsabo ny marary tsy azo sitranina, no nahatonga io tanàna io ho ivom-pivahiniana masina. Tamin' ny andron' ny Refôrmasiôna prôtestanta dia lasa toerana nampiroborobo ny teôlôjia prôtestanta i Marburg.

Jereo koa

Read next

In 19 languages

Text from Wikipedia, CC BY-SA 4.0 · Source article