factograf
MG

Lionel Messi

Lionel Messi

Key facts

daty nahaterahana24 Jona 1987
asa ataompilalao baolina kitra
toerana nahaterahanaRosario
vadyAntonela Roccuzzo

Lionel Andrés Messi Cuccitini
Ankapobeny
Anarana Lionel Andrés Messi Cuccitini Teraka 24 jona 1987 Toerana Rosario,  Arjentina Fiaviana sy ny andraikitra
Asa: mpilalao baolina kitra Fiainana manokana

Lionel Messi (Lionel Andrés Messi Cuccitini no anarany feno) dia mpilalao baolina kitra teratany Arzantina, teraka tao Rosaria, Arzantina tamin'ny 24 Jona 1987. Amin’izao fotoana izao dia milalao ao amin’ny klioba Inter Miami ao amin’ny Major League Soccer (MLS) any Etazonia izy. Talohan’izay dia efa nilalao tao amin’ny FC Barcelona tany Espaina sy tao amin’ny Paris Saint-Germain (PSG) tany Frantsa izy. Ankoatr’izay dia mpilalao manan-danja ao amin’ny ekipam-pirenena Arzantina ihany koa izy.

Lionel Messi dia heverina ho anisan'ireo mpilalao baolina kitra mahery sy mahay indrindra teo amin'ny tantaran'ny lalao, satria izy irery no hany mpilalao nahazo ny Ballon d'Or inefatra misesy, tamin'ny taona 2009 ka hatramin'ny 2012.

Maro ireo zava-bita miavaka vitan’i Messi nandritra ny asany: izy no nahafaty baolina be indrindra teo amin'ny fifaninanam-pirenena La Liga tany Espaina; izy no mpilalao nahafaty baolina be indrindra tao anatin'ny taona iray (baolina 91 tamin’ny 2012); ary izy no nahafaty baolina be indrindra tamin'ny Ligue des Champions any Eoropa tao anatin'ny taom-pilalaovana iray (baolina 14), niaraka amin’ilay Portiogey Cristiano Ronaldo sy ilay Italiana José Altafini.

Nandritra ny fotoana nilalaovany tao amin'ny FC Barcelona, dia nahazo inenina ny tompon-dakan’i Espaina izy, indimy nahazo ny tompon-dakan’ny ekipa tompon’ny amboara, indroa nahazo ny Coupe du Roi, intelo tompondakan’ny Ligue des Champions any Eoropa, ary indroa nahazo ny amboara eran-tany ho an’ny klioba.

Tamin’ny ekipam-pirenena Arzantina dia nahazo ny tompondaka eran-tany latsaky ny 20 taona tamin’ny taona 2005 izy, lasa tompondaka olaimpika tany Beijing tamin’ny 2008, tafakatra tamin’ny lalao famaranana ho tompondakan’i Amerika Atsimo (Copa America) tamin’ny 2007, ary tena nahazo voninahitra lehibe indrindra tamin’ny fandresena tamin’ny Tompondaka Eran-tany (Mondial) tamin’ny 2022.

Read next

In 195 languages

mgаԥсшәаAfrikaansAlemannischአማርኛaragonésÆngliscالعربيةالدارجةمصرىঅসমীয়াasturianuazərbaycancaتۆرکجهбашҡортсаBasa BaliBoarischBikol Centralбеларуская (тарашкевіца)беларускаяBetawiбългарскиBanjarবাংলাབོད་ཡིགbrezhonegbosanskicatalàChavacano de ZamboangaCebuanoکوردیcorsučeštinaчӑвашлаCymraegdanskdagbanliDeutschDagaareZazakiKadazandusunडोटेलीΕλληνικάemiliàn e rumagnòlEnglishEsperantoespañoleestieuskaraestremeñuفارسیsuomivõroføroysktfrançaisFryskGaeilgegalegoگیلکیAvañe'ẽगोंयची कोंकणी / Gõychi KonknniBahasa HulontaloGhanaian PidginGaelgHausaHawaiʻiעבריתहिन्दीhrvatskiKreyòl ayisyenmagyarհայերենԱրեւմտահայերէնJaku IbanBahasa IndonesiaInterlingueIgboIdoíslenskaitaliano日本語JawaქართულიQaraqalpaqshaTaqbaylitTyapGĩkũyũқазақшаភាសាខ្មែរಕನ್ನಡYerwa Kanuri한국어کٲشُرkurdîKʋsaalкыргызчаLatinaLadinoLëtzebuergeschлезгиLimburgsລາວlietuviųlatviešuमगहीमैथिलीмокшеньолык марийMinangkabauмакедонскиമലയാളംмонголꯃꯤꯇꯩ ꯂꯣꯟमराठीBahasa MelayuMaltiမြန်မာဘာသာمازِرونیNapulitanoNedersaksiesनेपालीNederlandsnorsk nynorsknorskisiNdebele seSewulaNupeChi-Chewaoccitanଓଡ଼ିଆиронਪੰਜਾਬੀKapampanganPapiamentuNaijápolskiپنجابیNawatپښتوportuguêsRuna Simiရခိုင်românăрусскийрусиньскыйсаха тылаᱥᱟᱱᱛᱟᱲᱤsicilianuScotssrpskohrvatski / српскохрватскиTaclḥitසිංහලSimple EnglishslovenčinaslovenščinachiShonaSoomaaligashqipсрпски / srpskiSundasvenskaKiswahiliꠍꠤꠟꠐꠤślůnskiதமிழ்తెలుగుtetunтоҷикӣไทยTürkmençeTagalogtolışiTürkçeтатарча / tatarçachiTumbukareo tahitiтыва дылукраїнськаاردوoʻzbekcha / ўзбекчаvènetoTiếng ViệtWest-VlamsVolapükwalonWinaray吴语isiXhosaმარგალურიייִדישYorùbáⵜⴰⵎⴰⵣⵉⵖⵜ ⵜⴰⵏⴰⵡⴰⵢⵜ閩南語 / Bân-lâm-gí粵語中文isiZulu

Text from Wikipedia, CC BY-SA 4.0 · Source article