Ny Leucaena dia vondron-karazana zavamaniry mamony roa ravin-tsimoka ao amin' ny fianakaviana Fabaceae, zana-pianakaviana Faboideae, teratany any Amerika, ahitana karazana 25 ekena. Izy io dia ivondronanan' ny hazo sy hazobotry manana raviny itambaran' ny zanapelana sy vondrombony amin' ny endriky ny loha boribory ivondronan' ny vony maro tsy misy tangozany.
Ampiasaina amin' ny tanjona samihafa ny karazana sasany: vilona, zezika maitso, hazo (akora), kitay, saribao, ary fiarovana amin' ny fokao-tany. Azo ampiasaina hanamboarana vakana ny vihim-boa. Ampiasaina ho fanafody fanalana kankana ny singa voasintona avy amin' ireo vihim-boa ireo any Sumatra (Indônezia).
Azo hanina ny pepa maitso sy ny vihim-boan' ny Leucaena leucocephala. Any Meksika dia hanina miaraka amin' ny sira ny vihim-boany antsoina hoe guaje. Ny fihinanana ny vihim-boan' ny karazana ao amin' ny Leucaena dia mety hitarika amin' ny tsy fitomboana, ny fihintsananan' ny volo haingana ka miteraka ahasolana, ny katarakta, ny treho ary ny hamomban' ny biby tsy mandinika noho ny habetsahan' ny mimôzinina (asidra amino tsy misy prôteinina).
Lisitry ny karazana
Inty ny lisitry ny karazana araka ny The Plant List (21 Desambra 2018):
- Leucaena collinsii Britton & Rose
- Leucaena colombiana Britton & Rose ex Britton & Killip
- Leucaena confertiflora Zarate
- Leucaena cuspidata Standl.
- Leucaena diversifolia (Schltdl.) Benth.
- Leucaena esculenta (DC.) Benth.
- Leucaena greggii S.Watson
- Leucaena involucrata Zarate
- Leucaena lanceolata S.Watson
- Leucaena lempirana C.E.Hughes
- Leucaena leucocephala (Lam.) de Wit
- Leucaena macrophylla Benth.
- Leucaena magnifica (C.E.Hughes) C.E.Hughes
- Leucaena matudae (Zarate) C.E.Hughes
- Leucaena mixtec C.E.Hughes & S.A.Harris
- Leucaena multicapitula Schery
- Leucaena pallida Britton & Rose
- Leucaena pueblana Britton & Rose
- Leucaena pulverulenta (Schltdl.) Benth.
- Leucaena retusa Benth.
- Leucaena salvadorensis Britton & Rose
- Leucaena shannonii Donn.Sm.
- Leucaena spontanea C.E.Hughes & S.A.Harris
- Leucaena trichandra (Zucc.) Urb.
- Leucaena trichodes (Jacq.) Benth.
