factograf
MG
Sign in

Lasantsy

Lasantsy

Ny lasantsy dia ranon-javatra mora mirehitra, azo avy amin' ny fanasitiliana ny solitany, ampiasaina ho fandrehitra amin' ny môtera misy fandoroana anatiny. Izy dia fandrehitra ho an’ ny môtera misy fandcreherana baikoina (môtera lasantsy). Izy io koa dia fifangaroan’ akoranafo, izay azo ampiana zavatra hafa fanampiny ho an’ ny fandrehitra. Karazana lasantsy maro no amboarina sy amidy eny amin' ny tsena.

Ny angovo ao anatin' ny lasantsy dia eo amin' ny 33.600.000 joule isaky ny litatra, na 46.700.000 joule isaky ny kilôgrama (misy kalôria ambony kokoa). Angovo tena makitroka izany: 2,9 heny eo ho eo ny angovo isaky ny kilôgrama noho ny hazo maina, ohatra.

Read next

In 118 languages

Text from Wikipedia, CC BY-SA 4.0 · Source article