factograf
MG

Christophe Colomb

Christophe Colomb

Key facts

daty nahaterahana1451
daty nahafatesana20 Mey 1506
toerana nahaterahanaGenova
toerana nahafatesanaValladolid
vadyFilipa Moniz Perestrelo

Christophe Colomb
Ankapobeny
Anarana Christophe Colomb Teraka velona anelanelan' ny 25 Aogositra sy ny 31 Ôktôbra 1451 Toerana ZENA Maty 20 Mey 1506, tany Valladolid, Espaina Fiaviana sy ny andraikitra
Asa: Tsy fantatra Fiainana manokana

I Christophe Colomb (velona anelanelan' ny 25 Aogositra sy ny 31 Ôktôbra 1451 tao Repoblikan’i Genova; † 20 Mey 1506 tao Valladolid), olona voalohany indrindra teo amin' ny Tantara niampita ny Ranomasimbe Atlantika amin' ny alalan' ny fahitana lalana vaovao mandroso sy miverina anelanelan' ny kôntinenta Amerika (noheveriny fa i India) sy i Eorôpa. Nanao zotra efatra izy ohatra ny mpamily sambo, ary niasa ho an' ny Mpanjaka Katôlika (Reyes Católicos, amin' ny fiteny espaniôla) Isabella I an'i Kastila sy Ferdinand II an'i Aragon, nanome azy ny satan' ny Manjaka Faharoan' i India ary ho lasa lehiben' ny nosy sy tany ho hitany mandritry ny diany. Nanamarika ny fanjanahana an' i Amerika ny fahitana ny faritra Karaiba. Nanamarika ny fanombohan' ny Andro Vaovao (na Vanim-potoana Môderna) io fahitana zava-baovao io.

Na dia lazaina aza fa ny Vikingy no tonga tao Amerika voalohany tany amin' ny Terre-Neuve-et-Labrador, ary na dia efa nisy tanàna vikingy aza tany amin' ny faritra avaratry ny nosin' ny Tere-Neuve, dia i Colomb no tena lazaina fa "mpahita an' i Amerika".

Tantara kôlômbiana

Vitsy ny zavatra nosoratan' i Colomb fantatra: taratasy nifandefasana, taratasy fanefam-bola, tsiahy tanatin' ny bokin' ny fitehirizam-bokiny ary sonia. Zavatra efa natao kôpia ny lahatsoratra hafa, toy ny diarin' ny diany, ary tsy fantatra raha tena izy na tsia no tena nanoratra azy. Nadika tamin' ny fiteny frantsay ny ankabeazan' ny soratr' i Colomb.

Ny fahaizan' i Colomb olona manam-pahaizana dia miankina amina boky efatra nosoratany ary notehirizina. Roa arivo tsy latsaka ny isan' ny marika voasoratra tamin' ny sisim-pejy.

I Pierre Martyr d'Anghiera, filôzôfin' i Italia Avaratra dia nilaza tanatin' ny Orbo Novo - tamin' ny 1494 ny tenin' ny nanatri-maso ny fahitany.

Tantaram-piainana

Pejy iray ao amin' ny bokin' i Marco Polo nosoratsoratan' i C. Colomb
Pejy iray ao amin' ny bokin' i Marco Polo nosoratsoratan' i C. Colomb
Ny sarin-tan' i Colomb mirahalahy
Ny sarin-tan' i Colomb mirahalahy
2 images

Fahazazana sy fahatanorana

Tsy fantatra mazava ny toererana tena nahaterahan' i Colomb fa ankehitriny izy dia lazaina fa olona avy any Liguria, eo amin' ny manodidina an' i Genes. Eken' ny fikambanan' ny mpahay tantarata io fiaviana any Genes io hatry ny faran' ny taonjato faha-19, tamin' ny 1892 raha ny marimarina kokoa ho an 'ny fitsingerenan' ny faha-400 taon' ny fahitany an' i Amerika.

Araka ny tantarata dia teraka tamin' ny taona 1451 tao amin' ny Repoblikan' i Genova i Christophe Colomb. Ny rainy dia i Domenico Colomb ary ny reniny dia i Suzanna Fontanarossa. Any Calvi koa ny trano nahaterahan' i Colomb; any Haute-Corse, tanàna genôvana tamin' izany fotoana izany. Ny zandriny dia i Bartolomero Colomb sy i Giacomo Colomb. Misy mpanoratra milaza fa Jiosy voatery nivadika kristiana i Christophe Colomb - jereo ny Limpieza de sangre. Io petrakevitra io dia miankina amin' ny taratasy nosoratany misy soratra hebreo hita amin' ny fiteny ladino.

Nisy akony lehibe tao aminy ny Bokin' ny Hagagan' ny Tany nosoratan' ny andriana anglisy Jean de Mandeville teo anelanelan' ny taona 1355 sy 1357 (nandritra ny Ady Zato Taona, tamin' izy avy any Azia Atsinanana, avy amin' ny zavatra hitany sy ny tantaran' ny misiônera frantsiskana sy dôminikana. Nandeha any Ejipta, any Palestina (fanjakana), any India ary any Sina i J. de Mandeville teo anelanelan' ny taona 1322 sy 1356 (efatra amby telopolo taona, fotoana lava be tamin' izany fotoana izany). Ny Bokin' ny Hagagan' ny Tany (samihafa amin' ny Dian' i Marco Polo, notantarainy tany am-ponja) dia navoakan' ny sosaiety andrefana amin' ny fiteny maro. Na dia nisy mpanadihady nanambara fa mpangala-tahaka (an' i Marco Polo) aza izy, ny bokiny dia nisy fiantraikany lehibe tao Eorôpa Andrefana.

Manana ny boky Imago mundi (nosoratan' i Pierre d'Ailly tamin' ny taona 1410) koa i Colomb, boky nosoratsoratany.

Asa tao amin' ny fifamoivoizana an-dranomasina

Tamin' ny taona 1476, niondrana an-tsambo fitanterana entana mankany Lisboa sy mankany Angletera i Christophe Colomb. Fa voatafiky ny Frantsay ilay sambo ary nandositra nankany amin' ny tanàna pôrtogein' i Lagos izy ary avy eo nankany amin' ny rahalahiny, mpanao sarin-tany any Lisboa.

Nanambady an' i Filipa Moniz, zana-bavin' i Bartolomeu Perestrelo, governoran' i Porto Santo (izy no nanomboka ny fanjanahan-tany pôrtogey tamin' ny taona 1425) Andrianakely pôrtogey. I Felipa dia maty afaka fotoana vitsivitsy taorian' ny nahaterahan' ny zanany lahy tokana: Diego Colomb, mety teraka tany amin' ny taona 1480 teo amin' ny nosin' i Porto Santo (nanana zanaka lahy faharoa i Colomb amin' ny taona 1488, Fernand no anarany, mety nahaterahan' i Beatriz Enriquez de Arana). Mihamaranitra hatrany ny fahaizan' i Colomb amin' ny fifamoivoizana an-dranomasina, mety avy amin' ny sarin-tany nomen' ny vadiny tamin' ny fanambadiany angamba io; ireo sarin-tany ireo, izay manoro ny rivotra sy ny fananan-tany pôrtogey, dia mety an' i Bartolomeu Perestrelo.

Ny tetikasany: mandeha any India amin' ny lalana mankany andrefana

Misy zavatra tsy ampy anatin'ity fizaràna ity. Ilaina mandray anjara ianao !

Ny dia voalohany

Misy zavatra tsy ampy anatin'ity fizaràna ity. Ilaina mandray anjara ianao !

Ny dia faha roa

Misy zavatra tsy ampy anatin'ity fizaràna ity. Ilaina mandray anjara ianao !

Ny dia faha telo

Misy zavatra tsy ampy anatin'ity fizaràna ity. Ilaina mandray anjara ianao !

Ny dia faha efatra

Misy zavatra tsy ampy anatin'ity fizaràna ity. Ilaina mandray anjara ianao !

Read next

In 214 languages

mgAfrikaansAlemannischአማርኛaragonésÆngliscअंगिकाالعربيةالدارجةمصرىঅসমীয়াasturianuKotavaअवधीAymar aruazərbaycancaتۆرکجهбашҡортсаBasa BaliBoarischžemaitėškaBikol Centralбеларуская (тарашкевіца)беларускаябългарскиभोजपुरीবাংলাབོད་ཡིགbrezhonegbosanskiBatak Mandailingбуряадcatalà閩東語 / Mìng-dĕ̤ng-ngṳ̄нохчийнCebuanoکوردیcorsuqırımtatarcačeštinaчӑвашлаCymraegdanskDeutschZazakiडोटेलीΕλληνικάEnglishEsperantoespañoleestieuskaraestremeñuفارسیsuomivõroføroysktfrançaisNordfriiskfurlanFryskGaeilge贛語kriyòl gwiyannenGàidhliggalegoAvañe'ẽगोंयची कोंकणी / Gõychi KonknniGaelgHausa客家語 / Hak-kâ-ngîעבריתहिन्दीFiji HindihrvatskiKreyòl ayisyenmagyarհայերենԱրեւմտահայերէնinterlinguaBahasa IndonesiaIlokanoIdoíslenskamedžuslovjanskyitaliano日本語Patoisla .lojban.JawaქართულიQaraqalpaqshaJjuKabɩyɛTyapқазақшаភាសាខ្មែរಕನ್ನಡYerwa Kanuri한국어RipoarischkurdîkernowekкыргызчаLatinaLadinoLëtzebuergeschлезгиLingua Franca NovaLimburgsLigureLadinlombardlietuviųlatviešuMadhurâमगहीमैथिलीBasa BanyumasanMinangkabauмакедонскиമലയാളംмонголमराठीкырык марыBahasa MelayuMaltiMirandésမြန်မာဘာသာمازِرونیNedersaksiesPlattdüütschनेपालीनेपाल भाषाNederlandsnorsk nynorsknorskߒߞߏNouormandChi-Chewaoccitanlivvinkarjalaଓଡ଼ିଆиронਪੰਜਾਬੀKapampanganPapiamentuPicardpolskiPiemontèisپنجابیپښتوportuguêsRuna Simiရခိုင်rumantschromânătarandíneрусскийрусиньскыйсаха тылаᱥᱟᱱᱛᱟᱲᱤsardusicilianuScotsسنڌيsrpskohrvatski / српскохрватскиසිංහලSimple EnglishslovenčinaslovenščinaSoomaaligashqipсрпски / srpskiSeelterskSundasvenskaKiswahiliślůnskiSakizayaதமிழ்తెలుగుтоҷикӣไทยTürkmençeTagalogtolışitoki ponaTok PisinTürkçeтатарча / tatarçaтыва дылئۇيغۇرچە / Uyghurcheукраїнськаاردوoʻzbekcha / ўзбекчаvènetovepsän kel’Tiếng ViệtVolapükwalonWinaray吴语хальмгმარგალურიייִדישYorùbáVahcuenghZeêuwsⵜⴰⵎⴰⵣⵉⵖⵜ ⵜⴰⵏⴰⵡⴰⵢⵜ文言閩南語 / Bân-lâm-gí粵語中文

Text from Wikipedia, CC BY-SA 4.0 · Source article