Carl Sagan
Ankapobeny
Anarana Carl Sagan
Teraka 9 Novambra 1934
Toerana -
Maty 20 Desambra 1996
Fiaviana sy ny andraikitra
Firenena Etazonia
Asa:
- mpanoratra
- mpahaikintana
Carl Sagan dia mpanoratra, mpahaikintana ary mpampiroborobo ny siansa. Mizaka ny zom-pirenen'i Etazonia izy, teraka ny 9 Novambra 1934 ary maty ny 20 Desambra 1996.
Ireo asa fampahafantarany ny momba ny tontolo misy antsika no tena ahafantarana azy, amin'ny alalana boky, oronantsary ary fandaharana mitohy amin'ny fahitalavitra. Anisan'ireo sangan'asany malaza indrindra Cosmos sy The Pale Blue Dot. Amin'ny maha-mpahaikintana azy, anisan'ireo navitrika nitady zava-manan'aina any ivelan'ny tany (SETI) koa izy, ka nandefa zavatra maro momba ny tany niaraka tamin'ny sambon-danitra Voyager 1 tamin'ny taona 1977.