factograf
MG
Sign in

Cananga

Cananga

Ny Cananga dia vondron-karazana zavamaniry mamony ao amin' ny fianakaviana Annonaceae (fianakaviana ahitana ny hobohobo sy ny kôrôsôly ary ny konikony), ao amin' ny filaharana Magnoliales, ahitana karazana roa monja, izay teratany any amin' ny faritra manomboka any Indôsina, mandalo an' i Malezia, ka hatrany Aostralia. Ny iray amin' ireo karazana roa ireo, ny Cananga odorata, no loharano ahazoana ny menakamanitra antsoina hoe ilangilangy. Avy amin' ny teny prôtô-malaiô-pôlineziana hoe *kanaŋa ny teny hoe Cananga.

Karazana

Vonin' ny Cananga brandisiana
Vonin' ny Cananga brandisiana

Karazana roa no ekena ao amin' ny vondron-karazana Cananga:

  • Cananga brandisiana (Pierre) Saff., (← Cananga latifolia (Hook.f. & Thomson) Finet & Gagnep.)
  • Cananga odorata (Lam.) Hook.f. & Thomson -- ilangilangy, ilañilañy

Read next

In 22 languages

Text from Wikipedia, CC BY-SA 4.0 · Source article